Tranga

Ambodihady-Ambohimanarina: Voaroba ny 73 tapitrisa Ar, miaramila dimy voasambotra

Tra-tehaka ireo miaramila dimy lahy sy ny sivily valo mpiray tsikombakomba mpanao fanafihana mitam-piadiana. Nandroba volabe 73 tapitrisa Ar, teny Ambodihady izy ireo tamin’ny 20 avrily, lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, olon-tsotra miisa valo sy miaramila dimy no efa voasambotra hatramin’izao fotoana izao. […]

Farafangana : Roa lahy nahatrarana vola sandoka

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy nampiasa sady nanaparitaka vola sandoka mitetina 4 260 000 Ar, tao amin’ny fokontany Amboanio, kaominina Fara­fangana, ny alin’ny zoma 24 avrily teo. Naharay fampahafantarana avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisy fa misy olona manaparitaka vola sandoka ao an-tanàna. Miisa roa ireo olona ireo ary saika vola […]

Antsampandrano: Mpangalatra moto naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsarana, naiditra vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nangalatra moto tao Antsofinondry, distrikan’Avaradrano, ny zoma 24 avrily teo. Nitrangana halatra moto tao an-toerana, ny alatsinainy 20 avrily. Nentin’ny olon-dratsy ny moto marika Kymco GP. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny tompon’ny moto very. Niroso […]

Voaroba ny volabe an-tapitrisa : Mpivady novelesin’ny fito lahy nisaron-tava tamin’ny “bois ronds”

Voa teo amin’ny lohany, taorian’ny daroka nataon’ireo olon-dratsy azy, ny raim-pianakiaviana iray sy ny vadiny, tao Verrerie, kaominina Toamasina, omaly maraina. Lasa ny vola 4 tapitrisa Ar. Jiolahy fito niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Verrerie, kaominina Reni­vo­hitra Toamisana, omaly ma­raina tamin’ny 1 ora. Nitondra hazo « bois […]

Indroa nanolana ny zanak’anabaviny: Lehilahy naiditra vonjimaika any am-ponja

Tratra teo am-panaovana ny filan-dratsiny, nentin’ny fianakaviany teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray 33 taona nanolan-jaza tetsy Anka­dindra­tombo, kaominina Ala­sora, afakomaly. Ankizivavy 8 taona, zanaky ny anabavin’io lehilahy io ihany no naolany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana misahana ny fanadihadiana. «Nidiran’io lehilahy io tao an-trano […]