Tranga

Ambana marolafy: Mbola tsy foana ny ady fa miova endrika vaovao

Nitohy omaly, teny amin’ny Havoria Anosy, ny andro faharoa eo amin’ny fihaonana narahina famelabelan-kevitra notarihin’ny avy ao amin’ny « Ecole d’état-major » (EEM) na ny sekoly ambonin’ny Tafika Malagasy. Ny lohahevitra « Foloalindahy miatrika ny ambana marolahy »  hatrany no nifantohan’ny dinika. Ani­san’­ireo mbola namelabelatra manodidina ity lohahevitra ity ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) […]

Fahafatesan-dRabenirina Jean-Jacques: Voaheloka higadra 30 volana ilay mpamily

Nivoaka, omaly, tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ny didy momba ny raharaha nahafaty ny solombavambahoaka voafidy tany Betioky Atsimo, Jean Jacques Rabenirina. Olona fito no voarohirohy, izay nahitana ny mpamilin’ny kamiao sy dokotera enina. Taorian’ny didy, voaheloka higadra 18 volana noho ny fanaovana vono olona tsy nahy, miampy fandoavana […]

Hasarotam-piaro : Noleran-drangahy antsy ny kibon’ny vadiny

Naratra mafy notsatoham-badiny antsy ny renim-pianakaviana iray tao Dépôt, kaominina Toamasina, faritra Atsinanana, omaly atoandro. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ilay rangahy. Nentin’ny nanatri-maso nihazo ny hopitaly ny renim-pianakaviana iray voatsindona antsy teo amin’ny kibony, tao Dépôt, Toamasina, omaly atoandro. Tsy lavitra ny toeram-piasan’io ramatoa io, nifamaly tamin’­ilay rangahy vadiny izy, araka […]

Jly Rakotonirina Richard: « Mihamivoatra ny ambana atrehan’ny Foloalindahy »

Nisokatra omaly, teny amin’ny Havoria Anosy, ny fihaonana arahina famelabelaran-kevitra notarihin’ny avy ao amin’ny « Ecole d’état-major » (EEM) na ny sekoly ambonin’ny Tafika Malagasy. Lohahe­vitra amin’izao fihaonana izao ny hoe : « Foloalindahy miatrika ny ambana marolafy : ny stratejika hiatrehana izany ho an’i Madagasikara ». Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) […]

Anosibe : Mpanendaka roa lahy voasambotra

Nosamborin’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny ny mpanendaka roa lahy sarona tetsy Anosibe Tsena, ny alahady 14 jona teo. Vehivavy hamonjy tsena tamin’ny 6 ora maraina, narahin’ireo olon-dratsy. Nandrasan’izy roa lahy tamin’ny toerana mangingina, nokasainy horobaina io ramatoa io. Tetsy ankilany, nisy mpitandro filaminana avy eo anivon’ny boriborintany fahadimy […]