Tranga

Niaraka tamin’ny odibala 7 kg… : ravan’ny zandary ny tambajotra mpaka an-keriny ao Anjozorobe

Tsy nandaitra ny odibala! Mitohy hatrany ny hazalambo ataon’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale, amin’ny fandravana ireo tambajotra mpaka an-keriny ao Anjozorobe. Jiolahy efatra tratra raha roa hafa maty voatifitra… Raha tsy misy ny fiovana, hatolotra ny fampanoavana anio ireo olona voarohirohy ho tom­pon’antoka tamina raharaha fakana an-keriny […]

Nariany ny vady aman-janany : lehilahy nikasa hanorina fiainam-baovao tamina vola halatra

Fahasahiana tsotr’izao! Naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray sy ny sakaizany, 19 taona, izay voarohirohy tamina halatra volabe saika hanorenana fiainam-baovao. Araka ny fanazavan’ny zandary avy ao amin’ny boriga­din’ Ankazomiriotra, nasaina ha­na­titra vola 7 200 000Ar any Betsoa, distrikan’i Man­do­to, ity lehilahy ity sy ny namany iray. Nande­ha moto izy ireo ka […]

Ambohimandroso : jiolahy roa lahy lavon’ny bala

Fanafihana tsy tontosa, maty voatifitry ny zandary ny jiolahy roa lahy tao Tsa­ra­tanimbary, kaominina Ambohimandroso, distrikan’ Anta­nifotsy, ny alahady 14 avrily teo. Naharay loharanom-baovao mahakasika ny asa ratsin’ireo ny zandary ao an-toerana ka nanao ny vela-pandrika niaraka tamin’ny fokonolona. Voasam­botra izy roa lahy, nikasa hanohitra. Vokany, raikitra ny fitifirana ka voatifitra ireo […]

Herisetra ara-nofo : naiditra am-ponja ireo roa lahy nanolana “4’mis”

Nalefa eny am-ponja ireo roa lahy nanolana an’i Tolo­tra kely sy ny zokiny, taorian’ny fampanoavana afakomaly. Voasaringotra tamin’ny fanararaotana ara-nofo nihatra tamin’i Tolotra sy ny zokiny ireo voapanga ireo. “Mbola tsy ampy taona avokoa ireto voarohirohy ireto ka antony nandefasan’ny fitsarana azy ireo eny anivon’ny fonja ho an’ny zaza tsy […]

Antsohihy : nodorana ireo rongony 220 kg tratran’ny zandary

Nodoran’ny zandary no­tarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy, afakomaly, ireo rongony milanja 220 kg azon’ny zandary tao amin’ny kaominina Anjiamangirina, distrikan’Antsohihy. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny vondron-tobim-paritra, ny kapiteny Randrianome Roger Berthin, tovolahy enina nilanja entana tamin’ny gony no nifanehatra tampoka tamin’ny zandary nanao fitsidiham-paritra ta­min’iny faritra iny. Nando­sitra avy hatrany ry zalahy vantany vao nahatazana ireo zandary. Rongony […]