Raikitra ny poa-basy ka maty i Romain, lehiben’ny dahalo tao Tsimanirirano, kaominina Mahatsinjo, RN4, distrika Maevatanana, ny 14 mey teo. Nitondra omby halatra efatra ny dahalo. Nifanehatra tamin’izy ireo tampoka ny zandary nanao fisafoana. Raikitra ny fifandonana. Vokany, dahalo roa voatifitra. Namoy ny ainy i Romain. Ity farany izay nokarohina hatry […]
Tranga
Herisetra ara-nofo: lehilahy iray tratra nanolana ankizivavy roa
Fanararaotana miharo herisetra tsotr’izao! Tra-tehaka ny lehilahy iray nanolana ankizivavy roa izay vao 4 sy 9 taona. Tokony homena ny sazy henjana! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny Filaminam-bahoaka Diana tao Ambodivoanio, ny sabotsy teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy roa. Tonga nametraka fitarainana teny amin’ny biraon’ny polisy Ambanja ny raim-pianakaviana iray […]
Ampitatafika: fiara namoa-doza, iray maty, 8 naratra
Tapaka hisatra sa mamo ? Namoa-doza ny fiara tsy mataho-dalana, omaly, teny Ampitatafika. Renim-pianakaviana iray maty, valo naratra. Saika nisy fitsaram-bahoaka ! Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray, olona valo naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Avaratra tetezana Ampitatafika, omaly hariva tamin’ny 6 ora sy 56 minitra. Fiara tsy mataho-dalana iray nidina avy […]
Jiolahy 4 voasambotra : efa mihantona eny amin’ny mpivaro-kena ny omby halatra
Nitaraina ho very sarety sy omby ny rangahy iray teny Sabotsy Namehana, afakomaly. Hitan’ny zandary mihantona eny an-tsenan’olona ny henan’ilay omby iray tamin’ireo very. Tonga nitaraina tao amin’ny biraon’ny zandary eny Sabotsy Namehana ny rangahy iray very omby sy sarety ary kitay, afakomaly. Nanara-dia avy hatrany ireo zandary any an-toerana […]
Tafika an-tanety : hisy ny fihaonamben’ ny Tafika Afrikanina
Notanterahina omaly, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny Africa Regional Media Hub. Ny mahakasika ny Africa Force Land Summit 2023, AFLS 2023, hotanterahina any Abidjan, Côte d’Ivoire no nampahafantarina nandritra izany. Mpitari-tafika avy amina firenena maro manerana izao tontolo izao, indrindra avy eto Afrika no niatrika izany valan-dresaka izany. […]




