Tranga

Renim-pianakaviana novonoina : Nalevina sy hita teo an-tokotany ny fatiny

Hita nalevina teo an-tokotany iray, any Ambohitranjavidy, Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny vata-mangatsiakan’ny renim-pianakaviana, efa tsy hita nandritra ny fotoana ela, afakomaly. Razana efa potika sy efa simba tanteraka no hita nandritra ny famongarana azy tao. Raha ny fantatra, tsy hita popoka nanomboka ny volana marsa 2024 io ramatoa io. […]

Zaza varira nisy naka an-keriny : 17 ireo voasambotra, raikeliny ihany ny iray

Ravan’ny polisim-pirenena ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ilay zaza varira, dimy taona, very tany amin’ny distrikan’i Vohipeno, ny faran’ny herinandro lasa teo. Mahatratra 17 ireo tompon’antoka tamin’izany. Tratran’ny polisim-pirenena tany amin’ny lalam-pirenena faha-12, tao Ambila, 20 km miala an’i Manakara, afakomaly tamin’ ny 10 ora alina, ireo nangalatra sy nitondra ilay […]

Fifindra-monina tsy ara-dalàna mankany Mayotte : Voasambotra ilay mpikarakara sy ny namany iray hafa

Nahazo vaovao avy amin’ ny olona tsara sitrapo ny Bori­gadin’ny zandarimaria Fasce­ne, mahakasika ny fisian’ireo olona mampiahiahy tany Man­girakirana, Fokontany Maha­zandry, kaominina Nosy Be. Mety hiondrana antsokotsoko sy hifindra monina tsy ara-dalàna any Mayotte, ny 8 febroary 2025 tamin’ny 4 ora maraina teo, izy ireto. Tonga teny an-toerana voalaza avy […]

Vaky fasana: Jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana vaky fasana narahina halatra taolam-paty tao amin’ny tanàna Fanatsarana, fokontany Ampasimadinika, kaominina Antanambao Manampotsy, afakomaly alina. Jiolahy fito ireo voalaza fa nanatanteraka izany asa ratsy izany, raha ny angom-baovao. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ireo ary voasambotra tany Ampasimadinika ny iray tamin’izy ireo. Tsy navelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ainy. […]

Nifampikapoka tavoahangy : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra

Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny samy mpinamana vokatry ny tsy fahazakana zava-pisotro misy alikaola, omaly, tany Ampitakely, Fianarantsoa. Tovolahy iray no namoy ny ainy vokatr’izany. Raha toa ka naratra kosa ny namany iray. Nitrangana adin’ny samy mpinamana tao amin’ny toeram-pisotroana iray, any Ampitakely, Fiana­rantsoa, omaly. Nisy tsy fifanarahana teo amin’ireo […]