Tranga

Ramonjavelo Valery: Naiditra vonjimaika am-ponja eny Avaradrano

Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano, Ambohidrabiby, afakomaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha, Ramonjavelo Valery. Taorian’ny nivoahan’ny didy fanapahana laharana 01-HCC/D2, tamin’ny 03 marsa 2026, izay navoakan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly. Nohenoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 Ha, ny tenany ary […]

Ambohimalaza : Valo lahy nangalatra lakolosim-piangonana

Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy nangalatra lakolosim-piangonana tao amin’ny kaominina Ambohimalaza, afakomaly. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo valo lahy niray tsikombakomba tamin’ny fangalarana lakolosim-piangonana, FJKM Anka­dindravola, fokontany Andra­nosoa, kaominina Ambohi­malaza, afakomaly. Lasan’ny olon-dratsy ny lakolosy lehibe iray. Naharay fitarainana momba io tranga io ny ekipan’ ny zandary. Olona miisa valo […]

Ambohimanarina : Mpamongady rongony miisa 4 naiditra am-ponja

13 mianadahy, mpikambana anaty tambajotra mpivarotra rongony eny Ambohima­narina, boriborintany fahenina, nosamborin’ny zandary ka naiditra am-ponja eny Antani­mora, omaly. Naharay loharanom-baovao momba ny fisiana toerana fitobiana sady famarotana zava-mahadomelina ao amin’ny fokontany Ambohimanarina ny zandarimariam-pirenena. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy teny an-toerana izy ireo taorian’ny fahazoana alalana avy amin’ny fitsarana […]

Traboina Toamasina : Tolo-tanana amin’ny alalan’ny mozika

Fenehoana fizarana sy fifanampiana. Miray hina amin’ireo niharam-boina vokatry ny rivodoza Gezani ny Airtel Money. Endrika miavaka ny hanehoany an’izany, amin’ny alalan’ny kanto sy ny mozika. Lohahevitra noraisina ny hoe « Tolo-tanana ho an’i Toamasina », ho firaisam-po miaraka amin’ireo fianakaviana traboina, hanarenana ny trano fonenana ravan’ny rivodoza. Manoloana izany, hisy ny […]

Variana nanasa tongotra : Lanin’ny voay i Daulphin, zazalahy vao valo taona!

Hita omaly atoandro ny tapany ambanin’ilay zazalahy, antsoina hoe Daulphin, nohanin’ny voay teo am-panasana tongotra, tany Berevo. Natelin’ilay biby ny tapany amboniny ka tsy hita niaraka tamin’izany ny tanany sy ny lohany. Mbola mikaroka ilay voay ny fokonolona. Ontsa avokoa izay nahita ilay horonantsary, nirakitra ny famonoana sy niteleman’ny voay […]