Tsy nahatsiaro tena ny lehilahy iray niharan’ny fandrobana tao Ambatomanga, fokontany Beravina, kaominina ambanivohitra Soalandy, ny alakamisy 28 avrily lasa teo. Niala tao amin’ny tranon’ny mpampiasa azy io lehilahy io, ny alarobia 27 avrily teo, tamin’ny 1 ora tolakandro. Nirahina haka vola vidina kafe tany amin’ny kaominina Ampahitrosy izy, araka […]
Tranga
Fanolanana tany Andriampamaky: Pretra iray naiditra am-ponja
Naiditra vonjimaika am-ponja ny Pretra iray, niasa tany Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana, araka ny vaovao avy amin’ny zandary. Voalaza fa nanao herisetra ara-nofo tamin’ny tovovavy iray izy. Notanana vonjimaika any am-ponja nanomboka ny 28 avrily teo, ilay Pretra relijiozy voasaringotra tamin’ny tranga fanolanan-jazavavy 15 taona, tao Andriampamaky, distrikan’Avaradrano. Namonjy fihatahana masina « récollection » […]
Antsalova: Raim-pianakaviana maty voatifitra
Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo ny raim-pianakaviana iray, tao Ambaravarantany, kaominina sady distrikan’Antsalova, faritr’i Melaky, ny 27 avrily teo. Miala 2 km mivoaka ny tanàna io toerana nifanenan’ny dahalo tamin’ny olona nanaovany herisetra io. Roa lahy no lasibatra tamin’izany, araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana. Tsy […]
Mahamasina : Voaroba ny solosaina tao anaty fiara
Novakian’ny olon-dratsy ny fiara iray nipetraka teo Mahamasina, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy sasany. Najanon’ny tompony fotoana vitsy monja teo amin’io toerana ampitan’ny Kianja Barea, ny fiara. Nihidy avokoa ny varavarana rehetra. Nanararaotra anefa ireo tontakely ka novakiny ny fitaratr’ilay fiara nipetraka teo amoron-dalana. Nalainy ny solosaina tao anatin’io […]
Fandefasana mpiasa any Maorisy : Lehilahy iray naiditra vonjimaika am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ny lehilahy iray, tompon’antoka amin’ny fandefasana mpiasa any amin’ny Nosy Maorisy. Nahazoany vola amina tapitrisany maro izany. Niakatra teny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana tetsy Anosy, omaly, ny lehilahy iray mpisoloky, milaza fa afaka mandefa olona hiasa any amin’ny Nosy Maorisy. Naiditra vonjimaika am-ponja, ny tenany taorian’izay. […]




