Notanana vonjimaika eny anivon’ny biraon’ny zandarimaria ny roa lahy ahina ho tompon’antoka tamin’ny fandrobana niharo fanolanana tao Antanamalaza, kaominina Masindray, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Mpanao asa an-tselika, niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’ny vehivavy iray mipetra-drery, ireo tovolahy miisa roa, ny talata 9 jona lasa teo, tamin’ny 9 ora alina. Tsy nisy […]
Tranga
Hita faty tanaty hantsana : Infirmiera ao amin’ny HJRA nalaina an-keriny
Infirmiera tokony hiandry raharaha teny amin’ny HJRA ilay tovovavy nisy namono, nariana tanaty hantsana, teny Manjakavaradrano, afakomaly. Nalaina an-keriny sy nitakina vola 2 000 000 Ar ny ray aman-dreniny, izay niafara tamin’ny vono olona. Ho tohin’ny fahitana razana tao anaty hantsana teny Manjakavarandrano, distrikan’ Ambohidratrimo, notaterina teto, omaly (pejy 2), dia fantatra […]
Jiolahy 15 lahy nanafika : Tokantranona zandary voatafika, olona roa naratra
Notafihin’ny jiolahy miisa 15 mirongo fitaovam-piadiana ny tokantranona zandary iray tany amin’ny fokontany Andaboly, kaominina andrenivohitra Toliara I, distrikan’i Toliara I, ny alin’ny talata hifohy ny alarobia lasa teo. Nisaron-tava avokoa ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nanatanterahiny ny asa ratsy. Tsy tao an-trano ilay zandary tompon-trano nandritra ny fanafihana ka nanararaotra […]
Ampefy : Sinoa am-polony voasambotra
Nosamborin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray ao Ampefy ny sinoa am-polony, faritra Itasy, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 11 jona teo. Notanana atao famotorana ireo teratany vahiny ireo noho ny tsy fananany taratasy mazava ahafahana miditra eto Madagasikara. Niditra antsokosoko teto an-toerana izy ireo, araka ny loharanom-baovao. […]
Zazavavy 12 taona nanjavona : Mpianatry ny EPP hita faty voatsindrona antsy
Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny ankizivavy 12 taona, tany Masindray Atsinanana, kaominina Fihaonana. Nandeha ianatra izy ny talata maraina, hita faty voatsindrona antsy teo amin’ny tendany ny ampitso atoandro. Hita faty tao Antamponitsara, fokontany Masindray Atsinanana, kaominina Ambanivohitra Fihaonana, distrikan’Ankazobe, ny alarobia 10 jona 2026, ny ankizivavy 12 […]





