Tranga

Nampandositra mpamono olona : Roa lahy misazy 9 volana an-tranomaizina

Raim-pianakaviana iray sy olona iray hafa voasazy higadra 9 volana an-tranomaizina, tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Voaheloka noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fampandosirana lehilahy iray nahafaty olona tao amin’ny fokontany Ambohibary Kofay, kaominina Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ireo olona roa ireo. Nitrangana vono olona tao amin’io fokontany io, ny alin’ny alakamisy 24 jolay […]

Namono olona roa tao Ampangabe mahitsy: Maty voatifitra i Bengilo, jiolahy raindahiny

Iray volana taorian’ny vono olona nahatsiravina tao Ampangabe, namoy ny ainy, rehefa nikasa handositra zandary, ny jiolahy tompon’antoka iray antsoina hoe i Bengilo. Nirefodrefotra ny basy! La­von’ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny, tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana tao Voro­damba, kaominina Mahi­tsy, ny alatsinainy 21 avrily, ta­min’ny 9 ora alina. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana […]

Asan- jiolahy ao Toamasina : Lavon’ny balan’ny polisy i Coco

Ela nitoratorahana ka lavon’ny balan’ny polisy tao Tanambao Verrerie i Pascaud Edvin, fantatry ny maro amin’ny solonanarana hoe Ra-Coco, 32 taona. Tovolahy vao erotrerony saingy efa mpamerin-keloka. Ra­ha iverenana ny zava-nitranga, natory tany amin’ny tranon- drainy ao Tanambao Verrerie izy ny alahady 19 avrily teo. Reraky ny torimaso izy, araka […]

Ambohibao-Antehiroka: Voasambotra ireo efa-dahy nangalatra moto

Niara-voasambotry ny zan­darimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ante­hiroka, ireo mpiasa efa-dahy nangalatra moto an’ny mpampiasa azy, tao Ambohibao, afakomaly. Niasa tao amina orinasa iray ireo efatra mirahalahy ireo. Nametrahan’ny mpampiasa fitokisana izy ireo ka samy niandraikitra moto iray avy isanisany. Tsy naverin’ireo olona tao amin’ny orinasa intsony anefa ny moto […]