Naiditra am-ponja avy hatrany taorian’ny fanolorana azy ny fampanoavana, afakomaly, Rasta jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana eny 67 ha Avaratra. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria, boriborintany fahafito (CSP7) izy, ny herinandro teo. Maro ny trangana tsy fandriampahalemana miseho lany amin’iny faritr’i 67 ha sy ny manodidina iny. Nandray fepetra […]
Tranga
Nisandoka ho zandary : voasambotra i Sefo Fidy
Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray nisandoka ho zandary teny Ivato, omaly. Nitondra ny anarana Sefo Fidy, nisoloky olona maro tamin’ny alalan’io fisandohana andraikitra io ity lehilahy ity. Angalany vola ireo olona ary milaza ho mahavita mandamina raharaham-pitsarana koa izy. Rehefa anantonan’ireo olona nandoa vola taminy izy andro vitsy taorian’ny […]
Tsy nahay nampiasa basy… : tratra ireo jiolahy mpanao fanafihana
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria (CSP) Maintirano ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny faritra Melaky, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny halatra mitam-piadiana. Naharay antso ny polisy, misy andian’olona mandroba sady mampiasa fitaovam-piadiana tamin’io fotoana io. Nandritra ny kerimesy tao amin’ny fokontany Marodoka, CU Maintirano no nitrangan’izany. Nambanan’izy […]
Antsirabe II : dahalo mpangalatra omby matin’ny fokonolona
Narian’ny havany hatramin’ny fatiny ! Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Antsirabe II, afakomaly. Nizara roa ny lohany. Tapaka ny tendany. Matin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo iray tany Antsirabe II . Nalevin’ny fianakaviany sasantsasany toy ny nandevina biby ity mpangalatra omby iray matin’ny hatezeram-bahoaka tao Bemahatazana ity. Nangalatra omby miisa […]
Analamahitsy : mpanendaka niharan’ ny fitsaram-bahoaka
Nanantena hahazo mora ny hatsembohan’ny sasany ! Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpanendaka iray voasambotry ny fokonolona tetsy Analamahitsy, afakomaly hariva. Miandry ireo mpandalo mandeha an-tongotra anatin’ny lalana maizina mampitohy an’ Analamahitsy sy Nanisana ireto olon-dratsy ireto. Niisa telo izy ireo no nikasa hanao ny asa ratsiny. Sendran’ny fokonolona, nataon’ireto farany […]




