Niara-niombom-peo ny Fikambanan’ny Terak’Androy eto Madagasikara (Fiteam) manoloana ny herisetra nataon’ireo zandary tamina raiamandreny sady lehiben’ny andrimasom-pokonolona ao Amboasary Atsimo, ny 1 marsa 2023 teo. Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, no nanamafisan’izy ireo izany. Araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mpikambana, Mbola Mamonjisoa Jean Chrysostôme, tamin’io fotoana io tao amin’ny […]
Tranga
Hetsika « Kobay » : miaramila iray maty voatifitra
Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fifandonana tao Soaserana, fokontany Tsinjorano, kaominina ambanivohitr’Ambia, distrikan’i Mahabo, ny sabotsy 9 avrily 2023 teo, ny miaramila kilasy faharoa Randriamaherisoa. Nanatanteraka hetsika “Kobay” ireo miaramila avy ao amin’ny bataillon infanterie Morondava ka nisy ny fifandonana nahery vaika tamin’ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fanafihana sesilany tamin’iny […]
Lalana Rocade: tratra ireo andian-jatovo mpanendaka sy mpively “bois rond”
Ditra sa asan-jiolahy tsotr’ izao? Tsy ny any Toamasina ihany fa manao ny ataony koa ny andian-jatovo mahery setra eto an-drenivohitra. Nanamafy ny fisafoana fanaony eny amin’ny lalana Rocade ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahavalo (CSP8) taorian’ny tranga tsy fandriampahalemana miseholany amin’iny lalam-baovao iny. Nahitam-bokany izany satria andian-jatovo […]
Vavatenina : mpivarotra menaka jirofo sandoka voasambotra
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nivarotra menaka jirofo sandoka tao Nosibe, kaominina Maromitety-Vavatenina, ny andron’ny Paska teo. Nanambaka olona maro tamin’ny alalan’ny fisandohana ity lehilahy voasambotra ity. Nivarotra io karazana menaka io izy. Lazainy tamin’izany fa menaka jirofo tena izy ireto amidiny ireto. Efa fanaony, araka izany, ny […]
Nandritra ny fetin’ny Paska… : jiolahy 21 tratran’ny polisy, roa maty voatifitra
Nanao izay ho afany tanteraka ny polisy nanao ny fandaminana nandritra ny fetin’ny Paka teo. Na teo aza anefa izany, jiolahy 21 tratran’ny polisy, roa maty voatifitra… Raha ny antontanisa nomen’ny eo anivon’ny polisim-pirenena, nandritra ny alahady sy ny alatsinainy teo, ho an’ny faritra Analamanga manokana, olona 59 no voasambotry […]




