Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny andian-dahalo 70 mahery nanafika fokontany telo tao amin’ny distrikan’Antanimora Atsimo, ny alin’ny 20 septambra 2024 teo, ny miaramila telo lahy : ny SGC Dorsel Rolland sy S2C Ravelomahazo, samy avy eo anivon’ny Holafy faharoa ao Bekily ary ny S2C Nantenaina Stéphano Jean Zoré avy eo anivon’ny […]
Tranga
mitety mpivarotra : roa lahy nahatrarana vola sandoka
Voasambotry ny zandary ny mpisoloky roa lahy mpanaparitaka vola sandoka tao Tsaramody, kaominina Mandrosohasina, distrikan’Antsirabe II, afakomaly. Nitondra vola sandoka roa alina miisa 10 izy roa lahy. Manatona mpivarotra, mody mividy zava-pisotro ireto mpisoloky ireto. Manome ny vola sandoka ary mahazo vola fameriny. Mifindra mpivarotra hafa indray izy ireo aorian’izay. […]
Mody mitady kariera : roa lahy nahatrarana Kalach
Basy AKM roa mahery vaika niaraka amin’ny bala ampolony, tra-tehaky ny mpitandro filaminana teny amin’ny roa lahy tao Ankasakasa, distrikan’i Besalampy, ny 20 septambra teo. Avy any Mahajanga nandeha botry, naneho fihetsika mampiahiahy ireo olona roa ireo ka narahi-maso akaiky. Nivantana avy hatrany tao amin’ny olon-tsotra iray izay mpamboly, monina […]
Lozam-piarakodia: nandriaka ny ra, vehivavy roa maty
Olona roa matin’ny lozam-piarakodia ny faran’ny herinandro teo. Ny iray vehivavy nofaohin’ny kamiaobe teny Malaza (RN1) mialoha ny hiditra an’i Fenoarivo, raha tany Farafangana (RN12) kosa ny vehivavy iray faharoa… Nampihoron-koditra! Vehivavy iray avy niantsena no maty tsy tra-drano nofaohin’ny kamiaobe teny Malaza, ny sabotsy hariva teo. Handeha hody izy […]
Avy namaky valan’omby : maty voatifitry ny zandary i Nesta Be
Lavon’ny balan’ny zandary, omaly alina, tao amin’ny kizon’Antaikankana, fokontany Ambohibemasoandro, kaominina Ambohitrolomahitsy, distrikan’i Manjakandriana, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Nesta Be. Namaky fahitr’omby iray tao Ambohibemasoandry izy tamin’io fotoana io ka tsikaritry ny polisim-bohitra satria nirongo fitaovam-piadiana rahateo ireo dahalo nanafika. Nahazo fampandrenesana avy hatrany ny zandary […]