Nitrangana fitsaram-bahoaka tany Vohitsara, Ampomby, distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, omaly maraina. Lehilahy iray, antsoina hoe: Narcisse, no voalaza sy voaendrikendrika ho nandray anjara tamin’ny famonoana zaza dimy taona tamin’ny fomba feno habibiana, ka niharan’ny hatezeram-bahoaka. Nirohotra nisambotra azy io ny andian-dehilahy an-jatony. Raikitra ny fifanenjehana ary niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ka […]
Tranga
Talata Volonondry : Fasana telo nasesin’ny jiolahy
Niparitaka avokoa ny fonosana nisy ny taolam-balon’ireo razana efa nilevina tao anatin’ny fasana miisa telo tao Amparafara, kaominina Talata Volonondry, afakomaly. Tsikaritry ny mpandalo ny fisokafan’ny varavaram-bato tamin’ny fasana iray tao an-toerana ka nampandre avy hatrany ny fokonolona izy. Nijery ifotony ny zava-nisy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany voakasika sy […]
Nokapaina zava-maranitra : Nentin’ny olon-dratsy ny lohan’ilay ramatoa
Hifampitadiavana ny lohan’ilay renim-pianakaviana nisy namono, omaly. Tompon’ny trano fivahiniana Jardin de la Mer ao Mananjary ity lasibatra. Notombohana zava-maranitra ny tendany. Maty nisy namono ny renim-pianakaviana iray, tao ambonagny, kaominina Manajary. Hita tao an-tranony, omaly maraina, ny razana, izay efa tsy nisy loha. Tompon’ny hotely Jardin de la mer […]
Ampasampito : Mpamaky fiara voasambotry ny polisy
Nosamborin’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny CSP3 Antaninandro ny lehilahy mpamaky fiara sarona teo Ampasampito, afakomaly. Fiara an’olon-tsotra nipetraka teo amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara nanaovan’io lehilahy io ny asa ratsiny. Tsy nisy olona tao anatin’ny fiara ka nosokafan’ilay jiolahy an-keriny. Nalainy avokoa ny entana noheveriny ho sarobidy tao anatin’io fiara io. […]
Nihinana paty : Mpianatra 13 tratry ny fahapoizinan-tsakafo
Mpianatra miisa 13 mianadahy niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo taorian’ny fihinanana «salade de patte» tao amin’ny toeram-pivarotana hani-masaka iray tao Ambohimandamina. Kaominina Mahajanga, ny 2 mey lasa teo. Voatery nentin’ny namany nihazo ny hopitaly ireo tena voa mafy tamin’io tranga io. Efa manaraka fitsaboana eo anivon’ny CHU Mahavoky Atsimo izy ireo. Araka […]





