Tra-doza vokatry ny rotsakorana diso tafahoatra ny fianakaviana iray tao Ambohimarina, Andramasina. Telo mianadahy maty nianjeran’ny trano, telo hafa avotra soa aman-tsara, ny 27 janoary lasa teo. Ankizy telo mianadahy (14 sy 9 ary 4 taona) niara-maty nirodanan’ ny trano biriky misy rihana iray tany Tsibeomby, fokontany Ambohimarina, distrikan’Andramasina, ny […]
Tranga
Handeha hody : Lehilahy 32 taona maty lasan’ny rano
Nahitana lehilahy iray, 32 taona, maty an-drano tany amin’ny ranon’ny Sakay Andolofotsy, ny alatsinainy 26 janoary, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina lasa teo. Niampita izy sy ny olona iray hafa tamin’io fotoana io. Avy eny Andolofotsy, hihazo an’Alakamisy izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Niakatra anefa ny rano teo […]
Nikasa hangalatra voninkazo : Lehilahy roa voasambotry ny zandary tetsy Itaosy
Voasambotry ny zandary tetsy Itaosy ny lehilahy miisa roa, afakomaly alina. Nikasa hangalatra voninkazo tao amin’ny trano iray andalam-panamboarana eny an-toerana izy ireo. Lehilahy roa saika hangalatra voninkazo, tratra teny Ankaraoka, fokontany Vonelina, kaominina Fiombonana, Itaosy, afakomaly 27 janorary 2026, tamin’ny 11 ora alina. Efa hitan’ny fokonolona sy ny mponina […]
Fanakorontanana filaminam-bahoaka: Tanora 15 voasambotry ny polisin’ny UIR
Tanora miisa 15 voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR), tao Tanamakoa, ny talata 27 janoary 2026 lasa teo. Anisan’ireo andian-jatovo mpanakorontana ny filaminam-bahoaka ao Toamasina izy ireo. Eo ny fanaovana ady eny an-dalambe, fangalarana amin’ny endriny maro samihafa ary ny fitabatabana amin’ny alina. Efa maro ny […]
Ankazobe : Nahitana taolambalo niparitaka teny an-tanimbary
Nahitana taolambalo efa niparitaka teny andrefan-tanànan’i Manjaka, fokontany Voninahitrinitany II, disitrika Ankazobe, ny 26 janoary 2026, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany folakandro. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra izany tany anaty tanimbary ka nampandre ny tomponandraikitra. Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandary miasa […]




