Tranga

Kamiao tra-doza : Olona telo naratra mafy

Nipitika ivelan’ny kamiao ny olona roa tamin’ireo telo voa mafy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny “autoroute” mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ambohimanga, omaly tolakandro. Kamiao iray nidona tamin’ny rindrim-bato manasasaka ny arabe. “Nipitika nivoaka teo amin’ny fitaratra aloha an’ny fiara ny roa tamin’ireo tra-doza”, hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso. Nifamonjena, nentina nihazo […]

Hita faty tao anaty tsena : Ramatoa voarasa antsy teo amin’ny tendany

Hita nitsirara tamin’ny tany, voarasa antsy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray 67 taona, omaly maraina. Nisy namono tao an-tsenany, ao Mahavoky avaratra izy. Hita faty tao amin’ny fo­kontany Mahavoky avaratra, kaominina Maha­janga, omaly maraina, ny ve­hivavy mpivarotra amin’ny toeram-pisotroana iray. Ahina novonoina tao an-tsenany ihany izy, raha ny fampitam-baovao […]

By-pass : Vehivavy iray maty voadonan’ny fiara

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy By-Pass, omaly alina, tamin’ny 7 ora. Vehivavy tokony ho 30 taona, nandeha tongotra no voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana marika Toyota, « plaque rouge » ary miloko fotsy. Niseho teny akaikin’ny espace Yandy By-pass ny loza. Avy any Iavoloha, hihazo an’Ambohimanambola ilay fiara, raha ny fahitan’ny olona nanatri-maso […]

Avy nandray tambin-karama : 11 mianadahy voaendaka 1 400 000 Ariary isan’olona

Lasibatry ny olon-dratsy izy 11 mianadahy, mpanao asa tanamaro, amin’ny fanerenana an’i Toamasina. Voaendaka ny vola tambin-karama, noraisina tamin’ny zoma sy omaly, mitentina 1 400 000 Ariary isan’olona. Voa mafy! Mpiasa, mpanao tanamaro miisa 11 mianadahy no lasibatry ny mpanendaka sy ny mpangalatra, ary mpisoloky ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka […]