Namoy ny ainy tampoka tao amin’ny tranon’ny mpampiasa azy, sady toeram-piasany, tao amin’ny fokontany Avarakady, kaominina Ambohimanga Rova, ny renim-pianakaviana iray, ny alatsinainy 23 marsa lasa teo. Nifampiresaka tamin’ny mpampiasa azy ilay ramatoa ny marain’io andro io, araka ny angom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana. Mpanampy an-trano izy ary mpiavy avy any […]
Tranga
Fanafihana tetsy Fenoarivo: Jiolahy 11 voasambotra, iray maty voatifitra
Vola 20 000 Ar isan-dahy no azon’ireo jiolahy namono nahafaty mpianaka teny Ambohidrazana Fenoarivo. 11 lahy hiakatra fampanoavana, anio. Hiakatra fampanoavana, anio, ireo 11 lahy nosamborin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’izy ireo, momba ny fanafihana nahafatesana olona roa teny amin’ny kaominina Fenoarivo. Niara-niasa ny tobim-paritry ny zandary voakasika sy tamin’ireo […]
Sinto-mahery eny Ambodin’Isotry : Vehivavy iray nosamborin’ny polisy
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray mpanao sinto-mahery eny amin’ny Cité Ambodin’Isotry, afakomaly maraina. Hamonjy toeram-piasana, vehivavy iray saika lasibatr’ireo mpanao ratsy. Narahin’ny vehivavy mpanao sinto-mahery io olon-tsotra io. Niditra lalankely izy kanjo nosintomin’ilay tontakely ny firavaka teny an-kodiny. Niezaka niaro ny tenany sady niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina […]
Fampiasana olona antsokosoko: Teratany vahiny 83 nosamborin’ny polisy
Voasambotry ny polisy teny Ambatomirahavavy ny teratany vahiny miisa 83. Tsy manana taratasy fahazoan-dalana hiasa eto Madagasikara izy ireo. Ordinatera miisa 170 ihany koa nogiazana. Mitohy ny ezaka ataon’ ny polisim-pirenena amin’ny fanaraha-maso akaiky ny sisintany sy ny fivezivezen’ny vahiny eto Madagasikara. Nahitam-bokany izany, teratany vahiny miisa 83 no voasambotra […]
Anosipatrana : Lehilahy nandroba volan’ny mpampiasa 3 tapitrisa Ar
Voasambotry ny mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asa ratsiny ny lehilahy iray teo Anosipatrana « Trano dimy », ny alin’ny sabotsy 22 marsa lasa teo. Nanao fisafoana nandritra ny alina teny amin’io faritra malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana io ny ekipan’ny polisim-pirenena. Naharay antso an-telefaonina izy ireo fa misy olona mampiahiahy tratra […]




