Tranga

Nihinana composé : Olona 69 niara-narary

Olona 69, miara-tsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA Ampe­filoha, nanomboka ny alahady lasa teo. Nihinana composé tamina tsena mpivarotra hani-masaka tetsy Namontana izy ireo, ny zoma sy sabotsy lasa teo, raha ny fanazavana voaray. Nanomboka narary sy hafahafa ny toe-pahasalaman’izy ireo, taorian’ny fihinanana io sakafo io. Samy narary kibo, nandoa sy […]

Mamo nikiry nitondra moto : maty tsy tra-drano voahosin’ny kamiao

Maty tsy tra-drano ny tovolahy iray, omaly, tany Toamasina. Mamo, nikiribiby nitondra moto izy. Nianjera tany ambany kamiao rehefa avy nandona mpitarika posy. Vokany, maty notetezin’ny kodiarana. Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Toama­si­na, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Tovolahy iray tokony ho 25 taona, maty […]

Torana teny an-dalana: Lehilahy nahatrarana rongony iray sakaosy

Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, taorian’ny fampanoavana, ny lehilahy iray nahatraran’ny zandary rongony iray sakaosy teny Andoharanofotsy. Nitaingina fiara fitateram-bahoaka io lehilahy io, ny sabotsy 9 mey teo. Tsy nahatsiaro tena tampoka anefa izy ka nentin’ireo tsara sitrapo namonjy toeram-pitsaboana. Nanao ny asany ny mpitsabo ka fantatra fa tsy nahatsiaro […]

Sendika mpiasan’ny APMF: « Manontsana ny fitsi­kilovana ny mpiasa »

Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao ny fianakaviamben’ny mpiasa sy ny sendika (SMA) eo anivon’ny Agence portuaire, maritime et fluviale na APMF. Mirongatra ny antsojay atao amin’izy ireo, noho ny antony samihafa. Miafara amin’ny fandrahonana sy fitsikilovana izany. Anisan’ny hisintonan’izy ireo ny lakolosy ny mahakasika ny fihainoana ny […]

Mpianatry ny Lycée nanala zaza: Zazarano nariana tao an-tranon-kisoa

Voasambotra omaly, tao Antalata Centre, ny mpianatry ny Lyçée iray, avy nanala zaza. Nariany tao anaty tranon-kisoa ny zazarano efa dimy volana an-kibo. Zava-doza! mpianatra amin’ny Lyçée, kilasy famaranana, no nosamborin’ny polisy, omaly. Avy nanala zaza izy. Tao amin’ny tanànan’Antalata Centre, kaominina Ambohimahasoa, no nitrangan’izany. « Nesorin’ny reniny io zaza io […]