Maty tsy tra-drano ireo roa lahy nandeha moto nifandona tao Ampihaviana Antsirabe, afakomaly alina. Mafy ny fifandonana ka samy niara-namoy ny ainy ireo mpitondra moto… Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tao Ampihaviana Antsirabe, afakomaly alina. Moto roa nifandona. Maty tsy tra-drano ireo mpitondra moto roa lahy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, moto […]
Tranga
Nifanenjehan’ny fokonolona : roa lahy mpangala-boamaso maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo roa lahy mpangalatra voamaso tao amin’ny koaminina Ambatolahy, distrika Ihosy, afakomaly. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana fa nisy namaky ny fasana vao avy nandevenena ny 13 septambra lasa teo. Noloaran’ ireo tsy valahara tamin’izany ny mason’ny faty iray nalevina tamin’io fotoana io. Nanao ny fanarahan-dia […]
Lasa ny 9 tapitrisa Ar: traiteur nivadi-pitokisana tanaty vodiondry
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, ny lehilahy iray mpikarakara sakafo «traiteur» nivadi-pitokisana, nitsoaka fikarakarana sakafona mpanambady hatao vodiondry. Henatra, fahafaham-baraka ny an’ireo fianakaviana roa tonta tamina raharaham-pianakaviana iray teny Ampitatafika, ny alakamisy teo. Fahadisoam-panantenana no niseho tamin’ireo fianakaviana nanatrika ilay fanateram-bodiondry satria tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana ilay «traiteur» […]
Nivoa-dra ny orony: fatin-dehilahy tao ambany tetezan’Anosizato
Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tetsy ambany tetezana Anosizato, omaly. Ahin’ny nanatri-maso ho novonoina izy. Ny fanadihadiana kosa no hamaritra ny tena zava-nitranga. Nivoaka ra ny orony sady kiaka ny faritry ny lamosiny, raim-pianakaviana iray hita faty tetsy Anosizato, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra olona nitsirara teo ambony vato. Tsy nisy […]
Nandoro fananan’olona : olona 19 niara-naiditra am-ponja
Notanana vonjimaika any am-ponja ireo 19 voasaringotra tamin’ny fandorana sy fanimbana ny entana rehetra, an’ny mpandraharaha iray, tao Antsambalahy, distrika Port-Bergé, ny 13 septambra teo. Faty antoka tanteraka no nianjady ilay tompon’entana lasibatra satria nivadika ho lavenona ny fananana nohariana tao anatin’ny taona maro. Tsy vitan’io, nosimbasimban’ny andian’olona ny gony […]