Tranga

Pitik’afo avy amin’ny saribao : Levon’ny afo ny akoho fakana nofo

Tato ho ato, saika mirongatra izay tsy izy ny trangana haintrano teto Toamasina, na dia efa potiky ny rivodoza Gezani aza ny ankabetsahan’ny tranon’ny mponina. Antony roa no mahatonga ny firehetana matetika. Eo ny tandrevaky ny asan’ny Jirama amin’ny famerenana herinaratra isan- tokatrano ka mahatonga firehetana tsy tomombana amin’ny tokony […]

Centre culturel Omar El-Farouk, 67 Ha: Potika ny fitaovana sy entana tao amin’ny sekoly

Potika sy simba avokoa ny entana sy ny fitaovam-pianarana rehetra tao anatin’ny Centre culturel Omar El-Farouk 67 Ha, taorian’ny fanakorontanana nataon’ireo an­dian’olona, ny talata lasa teo. Simba tamin’izany, ny varavarankely sy ny varavarana ary nakorontana ny taratasin’ny mpianatra sy ny fitaovana tao amin’ny sekoly. Teo koa ny vono nahazo ny […]

Avy naka vidina kafe : Lehilahy hita nifatotra tady, norobaina ny vola

Tsy nahatsiaro tena ny lehilahy iray niharan’ny fandrobana tao Ambatomanga, fokontany Beravina, kaominina ambanivohitra Soalandy, ny alakamisy 28 avrily lasa teo. Niala tao amin’ny tranon’ny mpampiasa azy io lehilahy io, ny alarobia 27 avrily teo, tamin’ny 1 ora tolakandro. Nirahina haka vola vidina kafe tany amin’ny kaominina Ampahitrosy izy, araka […]

Fanolanana tany Andriampamaky: Pretra iray naiditra am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja ny Pretra iray, niasa tany Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana, araka ny vaovao avy amin’ny zandary. Voalaza fa nanao herisetra ara-nofo tamin’ny tovovavy iray izy. Notanana vonjimaika any am-ponja nanomboka ny 28 avrily teo, ilay Pretra relijiozy voasaringotra tamin’ny tranga fanolanan-jazavavy 15 taona, tao An­driam­pamaky, distri­kan’Ava­radrano. Namonjy fihatahana masina « récollection » […]

Antsalova: Raim-pianakaviana maty voatifitra

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo ny raim-pianakaviana iray, tao Ambaravarantany, kaominina sady distrikan’Antsalova, faritr’i Melaky, ny 27 avrily teo. Miala 2 km mivoaka ny tanàna io toerana nifanenan’ny dahalo tamin’ny olona nanaovany herisetra io. Roa lahy no lasibatra tamin’izany, araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana. Tsy […]