Tranga

Nandrasana kendry tohina : Iray maty, fito naratran’ny 70 lahy nanafika tanàna

Zava-doza indray no nafitsoky ny olon-dratsy, omaly maraina, tao Beadabo, Mahabo. Olona iray namoy ny ainy, fito naratra vokatry ny fanafihana nataon’ny jiolahy miisa 70. Notafihan’ny jiolahy ma­nodidina ny 70 ny fo­kontany Beadabo, kaominina ambanivohitra Maha­bo, distrikan’i Betroka, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any. Efa niandry […]

Tsiafahy : Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy iray tetsy Masindray, fokontany Ambatofotsy, kaominina Tsia­fahy, afakomaly 9 marsa 2026. Anisan’ny malaza amin’ny halatra omby sy fanafihana mitam-piadiana izy io, raha ny fanazavana voaray. Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika sy hangalatr’omby tao an-toerana. […]

Halatra fitaovana informatika: Lehilahy iray voasam­botry ny polisy

Nosamborin’ny polisim-pirenena avy amin’ny Sampan-draharaha misahana ny heloka bevava (SRPJ) ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra-Mangoro, ny sabotsy teo, ny lehilahy iray, voarohirohy ho nangalatra tao amin’ny mpampiasa azy. Raha ny fanazavana voaray, mpiasa mpanadio tao amin’ny orinasa iray tao Ambatondrazaka izy. Noharaoraotiny izany asany izany hangalarana. Lasany, nandritra izany, […]

Kamiao latsaka ambany tetezana: Mpandeha telo maty, roa hafa naratra mafy

Latsaka tany ambany tetezana ny kamiao mpitatitra entana iray, tany amin’ny lalam-pirenena fahadimy, ny alin’ny alatsinainy teo. Mpandeha telo namoy ny ainy ary roa hafa naratra. Nivarina tany ambany tetezana, tao Marovato, lalana mampitohy ny kaominina Ambodiriana sy Antetezambaro, disitrikan’i Toamasina II, faritra Atsi­nanana, ny kamiao lehibe iray mpitatitra entana, […]