Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, omaly, ireo olona efatra mianadahy, tratra nivarotra sy nidoroka rongony tetsy Anosizato. Rehefa avy nampiakarina fampanoavana teny anivon’ny fitsarana omaly ihany. Raha tsiahivina, tratra teo am-pifohana rongony teny Antandrokomby Anosizato, ny roa lahy (17 sy 22 taona) tamin’izy ireo. Nasain’ny zandary nanondro ny […]
Tranga
Moto sy fiara nifandona : Olona telo nitondra marary niara-namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahadimy A, mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar, omaly maraina tokony 10 ora. Olona telo nandeha tamin’ny kodiaran-droa tra-doza namoy ny ainy. Niseho teo amin’ny 50 km miala an’Ambilobe ny loza. Nifandona mafy teo amin’ny lalana anelanelan’Ambararata Loky sy Antanamivony, kaominina ambanivohitra Bitsiaka, Distrikan’ […]
Akany Avoko Faravohitra : Norobain’ny olon-dratsy
Nisy nanafika, afakomaly, tokony tamin’ny 9 ora sy sasany alina, ny akany Avoko etsy Faravohitra. Tsy misy tamboho ny Akany amin’izao fotoana izao, fa fefy goailaka no nataon’ny tomponandraikitra hiarovana izany. Niditra tamin’ny alalan’izany ireo olon-dratsy ka nandroba ny entana sasany teo an-tokotany. Anisan’ny voaroba tamin’izany, ny varavaran’ny efitrano fandraisana […]
Nisandoka polisy : Lehilahy iray voasambotra
Lehilahy iray voasambotry ny olisim-pirenena miasa ao amin’ ny komisaria CSP8 Analamahitsy, ny harivan’ny 05 marsa 2026 lasa teo. Enjehina noho ny fisandohana andraikitra ho polisy sy fakana vola amin’ny alalan’ny fandrahonana izy io, raha ny fanazavana voaray. Manara-dia miafina ireo olona mandeha mankany amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy na toerana […]
Lozam-pifamoivoizana : Olona telo maty, roa hafa naratra mafy
Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny toerana maro, nandritra ny sabotsy sy alahady lasa teo. Nisy ny fifandonana teo amin’ny samy kodiaran-droa, nisy koa ny mpandeha an-tongotra voafaokan’ny fiara. Olona telo no fantatra fa namoy ny ainy nandritra izany. Olona roa naratra mafy. Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho […]




