Tranga

Mahamasina : Voaroba ny solosaina tao anaty fiara

Novakian’ny olon-dratsy ny fiara iray nipetraka teo Mahamasina, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy sasany. Najanon’ny tompony fotoana vitsy monja teo amin’io toerana ampitan’ny Kianja Barea, ny fiara. Nihidy avokoa ny varavarana rehetra. Nanararaotra anefa ireo tontakely ka novakiny ny fitaratr’ilay fiara nipetraka teo amoron-dalana. Nalainy ny solosaina tao anatin’io […]

Fandefasana mpiasa any Maorisy : Lehilahy iray naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ny lehilahy iray, tompon’antoka amin’ny fandefasana mpiasa any amin’ny Nosy Maorisy. Nahazoany vola amina tapitrisany maro izany. Niakatra teny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana tetsy Anosy, omaly, ny lehilahy iray mpisoloky, milaza fa afaka mandefa olona hiasa any amin’ny Nosy Maorisy. Naiditra vonjimaika am-ponja, ny tenany taorian’izay. […]

Raharaha Ambodihady: « Izay miaramila mandika lalàna dia iharan’ny sazy», hoy ny MFA

«Misy ny etika sy ny deontolojia momba ny fitsipi-pitondran-tenan’ny miaramila. Tsy misy baiko avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny fitantanana eto anivon’ny Tafika Malagasy ny asa ratsy na­taon’ireo miaramila voarohirohy tamin’ilay raharaha fanafihana teny Ambodihady», hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Maminirina Ely, omaly raha nitondra fanazavana […]

Andohatapenaka : Mpitondra moto voahitsaky ny fiara

Nandrika ny ra tetsy Andohatapenaka. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray teny ann-toerana, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora. Niseho teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be, eo amin’ny hopitaly manara-penitra ny loza. Lehilahy iray nitondra moto no naratra mafy voahitsaky ny fiara, zotra 159, teny an-toerana. Raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso ny […]

Dahalo am-polony nitam-piadiana nanafika : Zaza mainty dimy maty voatifitra, takalonaina iray avotra

Notafihan’ny dahalo ny tanàna tao amin’ny kaominina Mahazomà ny alin’ny alahady teo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo. Vokany, maty voatifitry ny olon-dratsy ny zaza mainty dimy. Takalonaina iray avotra soamantsara. Zaza mainty dimy lavon’ny olon-dratsy ka nanara-dia ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona tao amin’ny […]