Voasambotry ny zandary tao Soaniadanana, distrika Ankazobe, omaly maraina, ireo jiolahy roa voarohirohy ho anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fangalarana sy fanimbana fananan’olona. Tapitra very ny jiron’ireo olona mipetraka ao amin’ny tanàna vaovao niorina tamin’ny alalan’ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe. Maro ny fitarainana voarain’ny zandary momba ny fisiana fanimban-javatra ao amin’ity […]
Tranga
Disadisan’ny mpinamana : lehilahy maty voatsindron’ antsy
Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nifamono tamin’ny namany, afakomaly. Voatrobaka ny tratrany. Voasambotry ny polisy ny nahavanon-doza. Voatsatok’antsy teo amin’ ny faritry ny tratrany, namoy ny ainy, ny lehilahy iray tao amin’ny Croisement Sotema, kaominina Mahajanga Renivohitra, afakomaly. Mifankahalala ihany izy mirahalahy nifampikasi-tanana ireo. Mpiray tanàna rahateo ka tsy […]
Ambatomanoina : tafaporitsaka ireo olona roa nalain’ny daholo an-keriny
Nanao tari-dositra teny amin’ny dahalo naka azy ho takalonaina ireo olona miisa roa lasibatra, ny 22 jolay lasa teo. Karohina ireo olon-dratsy. Tafatsoaka teo am-pelatanan’ireo dahalo mpaka an-keriny, ny zoma hariva teo, ireo olona roa nalaina an-keriny. Ny 22 jolay 2024 tamin’ny 9 ora sy 30 mn no lasan’ireo mpaka […]
Androhibe : tratra ireo efa-dahy mpangalatra moto
Efa-dahy tra-tehaky ny polisy teo am-pangalarana moto tao Androhibe, boriborintany fahadimy, ny 12 septambra teo. Mivelona amin’ny asa fibatabatana entana izy efa-dahy ireto saingy mangalatra moto tampoka rehefa misy mipetrapetraka. Nisy nahatsikaritra tampoka anefa ny fihetsik’ireto mpandroba. Nibata ny moto izay tsy azy ireo izy efa-dahy. Tsy lavitra ny mpitandro […]
Kaominina Ankadinondry : mpisoloky manao fanamiana miaramila
Nisandoka andraikitra, nanao fanamiana tsy ara-dalàna, ka nosamborin’ny zandary ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Manarintsoa, kaominina Ankadinondry, ny sabotsy 14 septambra teo. Nitonon-tena ho mpitandro filaminana, nanararao-pahefana, tao amin’ny trano fisotroana tao Bejofo io lehilahy io. Lasibatra tamin’izany ny raim-pianakaviana iray monina ao Manarintsoa. Nosolokian’io lehilahy io ary norahonany […]