Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano ny roa lahy tratra nangalatra tongolo iray gony teny Talata Volonondry, ny talata lasa teo. Voasambotry ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, ny talata 10 marsa 2026 lasa teo izy ireo. Voarohirohy sy tratra nangalatra entan’olona tongolo iray gony tao an-tsena. Andron’ny tsena […]
Tranga
Anatihazo Isotry : Roa vavy tratra nangarom-paosy
Voasambotry ny polisim-pirenena tetsy Anatihazo Isotry ny vehivavy miisa roa, ny alakamisy 12 marsa 2026, maraina. Tratra nangarom-paosy nanoloana ny Fiangonana katolika iray eny an-toerana izy ireo. Miasa mangarom-paosy ireto farany ary ireo mirava avy mivavaka no tena kendreny. Miandry eny amin’ny manodidina ny fiangonana izy ireo, mitily olona mirava […]
Olona iray notanana eny amin’ny zandary : Mpamily hita faty nokendaina tanatin’ny fiara nentiny
Nahitana fatin-dehilahy iray tao anaty fiara mpitatitra entana, tetsy Miadana Alasora, omaly maraina. Nahitana mangana ny tendany, ary ahina ho nokendaina ny nahafaty azy. Olona iray notanana sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny zandary. Lehilahy iray, 42 taona, hita faty tao anaty fiara Hyundai camionnette miloko fotsy, tetsy Antanety, fokontany Miadana, […]
Naiditra am-ponja : Vehivavy 32 taona nisoloky 136 tapitrisa Ar
Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora, afakomaly 10 marsa 2026 lasa teo, ny vehivavy iray 32 taona. Taorian’ny fampiakarana fampanoavana azy teny anivon’ny fitsarana Anosy, afakomaly ihany. Voarohirohy tamin’ny resaka fisolokiana vola sy fisandohana andraikitra ary ny filazana fa afaka mampiditra olona ho mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena syn y vola […]
Mpatory an-dalana : Lehilahy iray hita faty tetsy Anosy
Nahitana fatin-dehilahy iray manodidina ny 40 indray tetsy Anosy, anelanelan’ny fivarotana voninkazo sy ny lalamby, omaly tamin’ny 6ora maraina. Mpivarotra vao maraina no nahita olona natory ary efa tsy misy aina intsony, ka nampandre ny tomponandraikitra. Raha ny fitantaran’ny olona teny amin’ny manodidina, heverina ho olona tsy manana trano hitoerana […]




