Lasa lavenona avokoa ireo tranomanara miisa telo, hany sisa nijoro nihazona ny lazan’ny Rovan’Ambohidratrimo, ny alin’ny alahady 26 avrily, tamin’ny 11 ora. « Mpiambina no miandraikitra io toerana io saingy tsy miasa alina izy », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo. Efa nihidy ny vavahady tao amin’io toerana manan-tantara io, […]
Tranga
Tranga hafahafa : Ankizivavy 50 isa voan’ny ambalavelona
Ankizivavy manodidina ny 50 isa nitrangana aretina hafahafa toy ny ambalavelona tany Mahajanga, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora. Mpianatra eo anivon’ny sekolim-pinoana iray any an-toerana izy ireo. Nitabataba, nitsipatsipaka ary nitomany ireo ankizy lasibatra ireo. Niafara tamin’ny fahasemporana sy fahatoranana mihitsy izany avy eo, raha ny fanazavana voaray […]
Ambodihady-Ambohimanarina: Voaroba ny 73 tapitrisa Ar, miaramila dimy voasambotra
Tra-tehaka ireo miaramila dimy lahy sy ny sivily valo mpiray tsikombakomba mpanao fanafihana mitam-piadiana. Nandroba volabe 73 tapitrisa Ar, teny Ambodihady izy ireo tamin’ny 20 avrily, lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, olon-tsotra miisa valo sy miaramila dimy no efa voasambotra hatramin’izao fotoana izao. […]
Farafangana : Roa lahy nahatrarana vola sandoka
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy nampiasa sady nanaparitaka vola sandoka mitetina 4 260 000 Ar, tao amin’ny fokontany Amboanio, kaominina Farafangana, ny alin’ny zoma 24 avrily teo. Naharay fampahafantarana avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisy fa misy olona manaparitaka vola sandoka ao an-tanàna. Miisa roa ireo olona ireo ary saika vola […]
Antsampandrano: Mpangalatra moto naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsarana, naiditra vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nangalatra moto tao Antsofinondry, distrikan’Avaradrano, ny zoma 24 avrily teo. Nitrangana halatra moto tao an-toerana, ny alatsinainy 20 avrily. Nentin’ny olon-dratsy ny moto marika Kymco GP. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny tompon’ny moto very. Niroso […]





