Tselatra

Fantina sy fintina

Haka fanapahan-kevitra tsy ho ela ny fitondrana momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy depiote, araka ny nambaran’ny Praiminisitra teny Tsimbazaza, afakomaly. “Hiaraha-midinika amin’ny Ceni izany. Horaisina ny fanapahan-kevitra aorian’izany“, hoy izy.   Efa eto an-tanindrazana ary nandray ny ambasadaoron’i Inde ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Nanolotra  « Panneaux solaires […]

Tselatra

  Ankizivavy 15 taona  avotry ny zandary teny am-pelatanan’ny olon-dratsy  ao Sarognanala, kaominina Befotaka, distrikan’i  Mahabo,  ny 1 febroary teo. Nalain’ny dahalo mpaka an-keriny ho takalonaina io vehivavy io. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary ka navotsitr’ireo dahalo nandritra ny fifanenjehana ilay ankizy.   Telo mianadahy mpidoroka sady mpivarotra […]

SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny JEA no solontenan’ny ligin’i Vakinankaratra amin’ny fifaninanam-paritra «  De la Rue vers l’Or », taranja basikety 3 x 3, sokajy vehivavy U23. Fifaninanana hotanterahina manomboka ny 16 hatramin’ny 18 febroary ho avy izao, eto Antananarivo. Tanterahina nanomboka ny 30 janoary lasa teo, any amin’ny faritr’i Boeny, ny fanofanana mpanazatra, […]

INDRAY MIJERY

3 tapitrisa ny isan’ny olona mahazo tombontsoa amin’ny tetikasa « Mionjo », ho an’ny faritra telo any Atsimo. Kaominina 234, anatin’ny distrika 14, no voakasika amin’ny fanohanana ny mponina hiarina hiatrehany ny voina samihafa. Nanomboka ny taona 2022 ary hifarana ny taona 2025 ny tetikasa, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. EPP efatra any […]

TARATRY ny KANTO

Piment Café – Mahery sy Nanie. Haverina anio alina indray ilay fiarahana an-tsehatr’ireto mpanakanto ireto, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fampiaraham-peo maromaro no nalahatr’izy ireo, volana vitsivitsy lasa izay. Maro mpankafy izany ka betsaka ireo nangataka famerenana. Hanao ny hirany manokana ihany koa izy mianadahy ireto. M’Lam – Ho an’i […]