Tselatra

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny ady hiragasy. Hifandona etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, rahampitso alahady manomboka amin’ny 10 roa maraina, ry Razoanibe Anivo­rano sy ry Valson Mahasolo. Marina fa samy tropy tsy mbola malaza, saingy manan-ko zaraina avokoa izy ireo, manana paikady vaovao hampitiavana ny hiragasy ka mendrika ny hiakatra kianja, indrindra fa […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy maintsy tohizana ny ady amin’ny kolikoly, ny hosoka sy ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MTS, Ratsiraka Roland. Nanteriny fa haharitra telo volana na mihoatra aza ny tolona. “Tsy maintsy mandresy isika”, hoy izy. Niarahaba ny filoha Rajoelina Andry amin’izao nahavoafidy azy izao indray […]

TSELATRA

Hiakatra fitsarana ny 16 janoary 2024 izao ireo kolonelin’ny Tafika roa lahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanakorontanana, araka ny nambaran’ny Tonian’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antanananarivo, omaly. Tazomina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana, araka izany, izy roa ireo. Intelo voatafiky ny dahalo ny fokontany Amba­tofotsy, kaominina Bemahatazana, Bongolava, […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahazo kamiao miisa dimy sy moto 50 ny Jirama, ao anatin’ilay tetikasa LEAD, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Entina hanatanterahana sy hanafainganana ny “fampidiran-jio mora” sy ny fampidiran-jiro mahazatra efa nahaloa sarany (dévis) ireo fitaovam-pitaterana ireo. Hanomboka amin’ny 15 desambra 2023 ny fanavaozana ny karatra ho an’ny mpanangom-bokatra an-dranomamy sy an-dranomasina […]

INDRAY MIJERY

Nanaovana andrana tao amin’ny dis­trikan’­ Ifanadiana sy Soavinandriana ny pilina misy singam-pamelomana, ahitana vitamina 10 sy mineraly dimy ho an’ny vehivavy mitondra vohoka. Nahazoana vokatra nahafa-po ny tetikasa. Manampy ny reny bevohoka; mampihena ny taham-pahafatesana eo am-piterahana sy mampirindra ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza io pilina io Mety hanamora […]