Tsy miova ny hevitry ny antoko Freedom amin’ ny fanohanana ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny fifampiarahaban’ny antoko noho ny taona vaovao teny By-pass, ny faran’ny herinandro teo. Miantso izay ho kandidà manohana ny filoha Rajoelina hisian’ny fiarahana amin’ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly izy. […]
Tselatra
TSELATRA
Fiara Sprinter iray no nivadika teny Tsaramanga Ambatofotsy, omaly. Olona 12 no tao anatiny ka ny fito tamin’ireo naratra. Nandeha mafy ilay fiara ka tsy nahafehy ny familiana ny mpamily, nivoaka ny lalana ny fiara, raha ny tatitra nampitain’ny zandary. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ireo naratra. Na teo aza anefa izany, […]
SOMBIM-BAOVAO
Nodimandry teo amin’ny faha-44 taonany, omaly maraina, ny Sensei Ratafika Lova, CTR (Conseiller téchnique régional), eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Judo. Nahavita be teo amin’ny tontolon’ny Judo izy ary efa nandrafitra ny ekipa nasionaly. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny”Camp des Jeunes filles U23″, taranja basikety 3×3, tontosaina eny Vontovorona. Efa […]
VAOVAO TAMBATRA
Manodidina ny 2,7 t isaky ny hekitara ny voka-bary eto amintsika. Ambany izany raha ampitahaina amin’ny salanisa maneran-tany, izay manodidina ny 4,6 t/ha. Ambolena vary ny 55%-n’ny tany voajary eto Madagasikara, manome fitambarany 1,3 tapitrisa ha. Midadasika indrindra ny any Alaotra, manodidina ny 100 000 ha. Hisitraka « kits solaires […]
INDRAY MIJERY
Vita ny tobim-pahasalamana an-tsekoly ao amin’ny lycée Nanisana, Cisco Antananarivo Renivohitra. Ahitana fanafody sy fitaovana ilaina amin’ny fandraisana marary ao an-toerana. Ireo mpianatra sy ireo mpampianatra ao amin’ny lycée no hisitraka izany voalohany. Hahazo tombontsoa amin’izany koa ny mpianatra rehetra mpikambana eo anivon’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Secteur efatra, ao amin’ny […]




