Madagascar Espace – Solo Andrianasolo. « Mahery ny fitia » ny lohahevitry ny seho an-tsehatra hataon’i Solo, anio, manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny Madagascar Espace Ambohimangakely. Mazava loatra fa manodidina ny fetin’ny mpifankatia hatrany izany, ka hahazo sehatra kokoa ireo hiram-pitiavana. Hitohy amin’ny fanehoana dihy hataon’ireo mpandihin’ny Mada Groupe ny […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Mangataka ny hanasaziana ny mpitsara ny lalao nihaonan’ny 3FB Toliara sy ny Zanakala FC, tany Toliara, ny Zanakala. Amin’izy ireo, misy ny fitanilana ny fitsarana nandritra ny fihaonana. Efa nametraka fitarainana eny anivon’ny CFEM moa ity klioba ity. Tsiahivina fa nandresy tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Zanakala FC. […]
FANTINA sy FINTINA
Teboka iray goavana tao anatin’ny fifampiresahan’ny filoha Rajoelina sy ny Praiminisitra indianina, i Narendra Modi, tany Dubaï, afakomaly, ny fanoloran’ny governemanta indianina fiaramanidina an’i Madagasikara ho amin’ny fiarovana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Hatolotra amin’ny fomba ofisialy mialoha ny 26 jona izany. Nifarana vonjimaika omaly ny fisoratana […]
TSELATRA
Mpandeha iray namoy ny ainy vokatry ny fivadihan’ny fiarabe iray tao Vohemar, faritra Sava, omaly. Nifatratra tamin’ny andrin-jiro lehibe io fiara io ka nivarina tany anaty rano. Olona iray maty tsy tra-drano. Ankizilahy 14 taona lasan’ny rano tao amin’ny vinany Intendro Sahavola, Fenoarivo Atsinanana, afakomaly tamin’ny 10 ora. Nilalao rano […]
SOMBIM-BAOVAO
Efa nanainga hihazo an’Antananarivo avokoa, ireo ekipa vehivavy U-23, avy any amin’ny faritra, hiatrika ny fifaninanana “De la rue vers l’or”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana hatao ny 16-18 febroary izao, eny amin’ ny Cnaps Vontovorona. Hatao eto Madagasikara, ny 21 avrily izao, ny “Gala International Fihezama”. Taranja 3 no hifaninanana […]




