Tselatra

TARATRY ny KANTO

Karibotel – Zandry Gasy. Fotoan-dehibe ho an’ny tarika sy ireo mpankafy azy, satria izay indray vao ho hita an-tsehatra ry zalahy. Hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany ny seho, iarahana amin’ny Zandry Gasy amin’ny endriny vaovao. Niampy mantsy ny mpikambana ary nanantombo ihany koa ny hira vaovao, zay ho santionany […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanaraka fiofanana any amin’ny klioba frantsay D2, Paris FC, ny Malagasy mpanazatra Barea, Rakotondrabe Romuald Felix. Natao hampivoarana ny Malagasy teknisianina izany. Tsiahivina fa fanamby goavana no miandry an’i Rôrô, handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Nihemotra tany amin’ny faha-109 ny laharan’i Madagasikara raha ny […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mitombina sy tsy azo raisina ny voka-pifidianana havoakan’ny HCC, anio, araka ny fanambaran’ny Vondron’ny kandidà 11. Miantso ny hery rehetra eto amin’ny firenena izy ireo hisokatra sy hiaraka hanohy ny tolona. Tsy ho ela intsony izany. Hanomboka anio ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale). Hifarana amin’ny tapaky […]

TSELATRA

Fiara tsy mataho-dalana iray nifatratra tany anaty tanimbary tetsy Tsarasaotra, omaly atoandro. Avy nifaoka fiaran’olon-tsotra , nitsoaka nandositra io fiara io, nentin’ny mpamily. Nivarina tany an-tanimbary anefa izy rehefa nahazo ny lalam-baovao mampitohy an’Ivato sy Tsarasaotra. Tsy hita popoka ilay mpamily ny fiara. Lehilahy mpivarotra rongony voasambotry ny polisin’ny STUP […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiatrika ny « Grand Slam de Tokyo », taranja Judo, any Japon, Rasoanaivo Razafy Laura, ny fiandohan’ ity volana desambra ity, tafiditra anatin’ny fanomanana ny « JO 2024 », atao any Paris. Efa nanainga teto an-tanindrazana izy ny talata teo. Ankoatra ny fifanina­nana, hisy ihany koa ny fanazaran-tena iraisam-pirenena hatrehiny, hatramin’ny 16 desambra izao. […]