Mitazona ny laharana voalohany hatrany ny GNVB vehivavy amin’ny fifaninanan’Analamanga, taranja volley-ball. Lavon’izy ireo tamin’ny seta 3 no ho 1 ny ekipan’ny Squad 1, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsara ho fantatra fa tsy mbola resy mihitsy ireto ekipan’ny zandarimariam-pirenena ireto. Notontosaina nanomboka ny 10 febroary lasa teo ny fiadiana […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra ara-bola misahana ny fahasalamam-bahoaka mifandraika amin’ireo fandaharanasa telo, ny tiberkilaozy, ny tazo ary ny VIH/Sida. Tanjona ny hikatsahana hatrany ny fahombiazan’ireo faritra hiasan’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena (fond mondial). Hiompana amin’ny karazan-tsakafo sahaza ireo olona diabetika indray ny fampianarana hatao eny amin’ny Amadia faravohitra, ny sabotsy izao. Maro […]
TARATRY ny KANTO
« Velapiainana » iarahana amin’ny Faribolana Sandratra izay mandia ny faha-35 taonany. Hetsika tanterahina ny 21 febroary izao, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy (Efitrano Dox). Antsa tononkalo hiarahana amin’i Maneho sy Ratsifa. Hiompanan’ny lohahevitra amin’izany ny « Fitia ambaratelo », hitondra any amin’ny fiainana soratra, fitiavana iainana. Fanokafana ny « Loabary an-dasy », iarahana amin’ny Fikambanan’ny mpikabary […]
FANTINA sy FINTINA
Notendren’ny papa Fransoa ho evekan’ny diozen’i Morombe, afakomaly, ny pretra diosezianina avy any Toliara, monpera Razafinirina Jean-Désiré. Mpanabe tao amin’ny seminera zokiny, Vohitsoa Fianarantsoa, izay seminera iombonan’ny arsidiosezy, Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana, izy, ny taona 2013. Rektoran’izany izy tamin’ny taona 2017 hatramin’izao nanendrena azy izao. Tafakatra 11 421 765 ny voasoratra […]
TSELATRA
Mihanaka hatrany amin’ny kaominina Ambatry, distrikan’i Betioky Atsimo, ilay biby tsy fantatra mihinana biby fiompy, toy ny ondry aman’osy hatramin’ny omby. Lasibatra indray ny ondry roa, maty notsihifin’ilay biby ny rany ary loaka hatramin’ny tendan’ireo biby fiompy. Manoloana ny firongatry ny herisetra samihafa manerana ny Nosy, nanomboka omaly, tao amin’ny […]




