Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga, ny lalao famaranan’ny «Coupe de la ligue Boeny». Hiady ny amboarabe sy ny lelavola iray tapitrisa ariary ny FC Sarobidy sy ny FC JTM. Marihina fa hahazo vola avokoa ny faharoa sy ny fahatelo amin’izany. Hanomboka ny 27-30 desambra […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
57 000 ny isan’ny mpianatra eny anivon’ny lycée misitraka tombontsoa mivantana amin’ny antontan-kevitra siantifika novokarin’ny fandaharanasa Educmad, anatin’ny faritra 14 manerana ny Nosy. Tsapa fa manomboka mahasarika mpianatra ny taranja siantifika taorian’ny fampiharana ny fandaharanasa tao anatin’ny taona maro. Miandrandra oram-baratra ny ankamaroan’ny faritra maro eto amin’ny Nosy manomboka anio, araka ny voalazan’ny foibe […]
TARATRY ny KANTO
Tao anatin’ny dimy taona, nanomboka nahitana fivelarana be ny fikarohana momba ny fanorona. Fantatra fa hivoaka tsy ho ela ny boky hoenti-mianatra ity lalaon-tsaina sady fitaizana no fanabeazana feno ity. « Fanorona fototra », nosoratan’i Zama Be na Andriatsarafara Jean Marie, izay tompondakan’i Madagasikara intelo. Fampisehoana « Cirque ». Hitohy anio, eny amin’ny Zaridainan’Anosy, […]
FANTINA sy FINTINA
Nihaona tamin’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny Vondron’ny kandidà 11, omaly, teny Ankorondrano. Tsy nisy nipika ny dinika. Na izany aza, tombanana ho ny momba ny fitsipahan’izy ireo ny voka-pifidianana sy ny tohin’ny tolona ny votoatin’ny fifanatrehana. Nanatitra taratasy fitsipahana ny fifidianana teo iny, teny amin’ny HCC, ireo Antenimieran’ny raiamandreny ara-drazana […]
TSELATRA
Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ny raim-pianakaviana iray, naratra mafy tao Ampasimbe Manantsatrana. Notapahim-badiny tamin’ny antsy ny filahiam-drangahy raha iny variana natory iny izy. Niongotra mihitsy izany. Disadisa ara-pitiavana teo amin’izy mivady no nahatonga izao ratra nahazo azy izao. Fitadiavana rano mavesatra «Mercure» no mampirongatra ny fanapahan-doha ao […]