Tselatra

TSELATRA

Inspektera eo anivon’ny polisim-pirenena miisa 219 nahatontosa fianianana tetsy amin’ny fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy, omaly. Misahana manokana ny famotorana ny fandikan-dalàna izy ireo. Hiroso amin’ny asa avy hatrany izy ireo taorian’io lanonam-pitsarana io. Nalain’ny dahalo avokoa ny nofon’omby rehetra ary nariany teny an-dalana ny toalany ka hitan’ny fokonolona tao Antamboho […]

VAOVAO TAMBATRA

Namboly hazo teny amin’ny kaominina Ambalavao Atsimondrano ny tily Mpanazava eto Analamanga, ny sabotsy 10 febroary teo. Hetsika fanaon’izy ireo isan-taona izany, ka samy nanatanteraka ny azy daholo ny isam-paritra eto amintsika. Loha­hevitra noraisina, tamin’ity taona ity, ny «Fiovan’ny toetr’ andro». Nahazo fitaovam-panjonoana ny mpanjono sy ny vadina mpanjono any […]

INDRAY MIJERY

Miverina mirongatra indray ny valanaretina lefakozatra, hoy ny filohan’ny fikambanana Fitia ka manentana ny rehetra hitondra ny ankizy hatao vaksiny fanefitry ny aretina izy. Maimaimpoana ny fanatanterahana ny vaksiny eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy. Ny zaza latsaky ny 5 taona tsy vita vaksiny no tena marefo manoloana ny […]

Sombim-baovao

Notontosaina nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara « Pureplay Football League », taranja baolina kitra. Lavon’ny Elgeco Plus tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Disciples FC Vakinankaratra. Tsara marihina fa miray vondrona ao amin’ny Kaoferansy avaratra ireto klioba roa ireto. Hotontosaina manomboka rahampitso […]

TARATRY ny KANTO

Nifampitaona tamin’ny mpankafy azy tetsy Ampefiloha ny tarika Ny Ainga, omaly. Korana sy lanonana ary fiaraha-misakafo no natao nandritra izany. Nampiavaka ny hetsika ny fisantarana sahady ny fankalazan’ny tarika ny jobily faha-30 niakaran’izy ireo an-tsehatra. Teo ihany koa ny fifankahitan’izy ireo tamin’ny mpankafy. Nanolotra atrikasa ara-javakanto sy ara-kolontsaina ho an’ny […]