«Malagasy mankany», etsy amin’ny IKM Antsahavola. Halefa anio indray, manomboka amin’ ny roa ora ity sarimihetsika malagasy notontosain’i Hamy Ratovo ity. Arahina adihevitra izany, hotarihin’i Aina Randrianatoandro, mpankafy sy mpitsikera sarimihetsika. Ho avy eo, hamaly ny fanontanian’izay liana amin’izany koa ny mpanatontosa. «Maimbo Olombelona». Ny angano «Maimbo Olombelona» sy ny […]
Tselatra
FANTINA sy FINTINA
Hiova endrika ny tolona, araka ny nambaran’ ny vondron’ny kandidà 10. Nihaona amin’ireo fiarahamonim-pirenena sy ny antoko ary fikambanana politika izy ireo, omaly, teny Andraharo. Nohamafisin-dRavalomanana izany fa havadika ho tolom-bahoaka izany. Harahi-maso ara-pitsarana ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, taorian’ny niakarany fampanoavana, tetsy Anosy, omaly. Hatao ny 12 desambra kosa ny […]
TSELATRA
Naratra mafy novelesim-badiny tavoahangy ny renim-pianakaviana iray teny Andavamamba Anjezika I, omaly tolakandro. Resaka fifidianana no nitarika ny adin’ireto mpivady ireto. Samy nanana ny kandidà notohanany izy ireo, ka tsy zakan’ilay raim-pianakaviana ny nisafidianam-badiny ny kandidà iray. Nampiakatra ny hatezerany izany ka raikitra ny fifamaliana. Niafara tamin’ny vono sy ratra […]
SOMBIM-BAOVAO
Nigadona omaly alina, tany Maorisy, ireo Malagasy mpikatroka, taranja Jiu-Jitsu, hiatrika ny “Open d’Afrique”, hatao rahampitso 18 novambra. Miisa 19 mianadahy izy ireo, ka 6 vehivavy. Sokajy Juniors, Adultes ary Masters no hifaninana mandritra izany. Hotontosaina manomboka anio ary hitohy hatramin’ny 19 novambra, ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja […]
INDRAY MIJERY
Nofanina momba ny fitantanana sy fikojakojana fitaovana fitsaboana ireo teknisianina mpiasan’ny fahasalamana. Fiaraha-miasa tamin’ny Jica ary notanterahin’ny Air Water East Japan Medisun no nahafahana nanao ny fampiofanana tany Japon. Mikendry manokana ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpiofana hahay mikojakoja ireo fitaovana izay ampiasaina eny anivon’ny hopitaly ho fitandroana ny ain’ireo marary. […]