Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho tale kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotonirina Elysa. Tale misahana ny raharaha iraisam-pirenena sy mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova. Talen’ny fifandraisana amin’ny vondrom-bahoaka, Rajaonah Mirana ary tale misahana ny hetsika kosa, Ravelonjato Eliah. Nanolotra ny sori-dalana hitantanany ny minisitera sahaniny avy teo amin’ny filankevitry ny minisitra ireo minisitra […]

TSELATRA

Tovolahy 16 taona voasambotry ny polisin’ny SAG teny Anosibe, omaly. Mpanendaka ireo mpandeha an-tongotra sy mpandeha taxi-be eny amin’ny manodidina ity tratra ity. Niezaka nandositra izy saingy tsy lasa alavitra. Zaza amam-bolana maty voalaza ho lanin’ny voalavo tao Sampanan’Andranovisy, Antsirabe, afakomaly alina. Nisy fifamaliana teo amin’ny ray aman-dreniny, araka ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hatao ny sabotsy 3 febroary izao avokoa ny fifaninanana ho an’ny faritra faha-6, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja Volley-ball. Tsy hisy lalao ny alahady 4 febroary, araka ny fangatahan’ireo mpitsara lalao, raha ny fanazavana hatrany. Miditra an-tsehatra any an-tsekoly ny taranja Echecs. Misy ny tetikasan’ny federasiona malagasy, hampianatra ity […]

INDRAY MIJERY

Anjaran’ny distrikan’i Manja, kaominina Andranopasy, ny nisitraka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny lasibatra nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro ny mponina tao. Niisa 1 156 ireo olona nisitraka izany, tao amin’ny fokontany 7. Vary milanja 14 450kg no nozaraina. Nisy ny fampiofanana ireo olona amin’ny fanamboarana rarivato “pavé” hanaovan-dalana teny Ambohidratrimo, […]

TARATRY ny KANTO

Mila tolo-tanana koa i Lalie. Marary ka nampidirina ao amin’ny hopitaly Befelatanana i Lalie. Nanao antso hanampiana azy izy. Tazana amin’ny horonantsary nataony fa mibontsina ny kibony, ka mila fizahana isan-karazany vao afaka miroso amin’ny fandidiana. Tsy niandry ela fa avy dia nanao ny fanentanana ireo mpanakanto namany. « Moramora […]