Hiverina tsy ho ela ny zotra an-dalamby « train express », mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE). Efa vita avokoa ny asa fanarenana sy fanamafisana ny lalamby any Tanakidy, taorian’ny lozam-pifamoivozana tany Tanakidy Voromailala, ny 20 septambra 2023 teo. Efa niverina ny zotra « train mixte » hatreo Sahasinaka, nanomboka ny 1 oktobra. Mikatona […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
Tanterahina ao Antsirabe hatry ny omaly ary aharitra 5 andro ny atrikasa fanatsarana ny paikady fizarana faobe sy maimaimpoana ny lay misy odimoka ho an’ny taona 2024. Anisan’ny fomba iray fiarovantena amin’ny kaikitry ny moka ny fatoriana anaty lay. Izany indrindra no hanavaozana hatrany ny fomba fizarana hisitrahan’ny rehetra izany. […]
Sombim-baovao
Hotanterahina manomboka rahampitso, any Diego ny fitiliana ireo Malagasy tanora mpilalao baolina kitra. Hetsika izay hiarahan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora ity hatao ity. I Wissem Maaref, mpanampy ny mpanazatra ny Barea no hanao ny fitiliana eny an-toerana. Nodimandry teo amin’ny faha-28 taonany […]
TARATRY ny KANTO
Misokatra ny taom-pikatrohana 2023-2024, hetsika ara-kolontsaina eo ambany fiahian’ny fitaleavam-paritry ny Kolontsaina sy ny serasera Boeny, izay nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo. Hifandimby ao amin’ny Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina, “Akôry haly”, ireo mpanoratra, poeta, mpanao slam, jijy, mpandihy, mpihira, mpikabary, sns. Handrasana ny sehon’i Tovo J’Hay. Hipoka nialohan’ny fanombohana […]
FANTINA sy FINTINA
Hitohy anio ny hetsiky ny Vondron’ny kandidà 10. Hanodidina ny farihin’Anosy ny fihaonan’izy ireo amin’ireo mpiara-dia aminy. Hetsika fandavana ny fifidianana feno hosoka sy firaisam-po amin’ireo mpitolona maratra sy voasambotra izany, araka ny fanambarana. Efa tonga eto ny iraky ny Sadc, mpanara-maso ny fifidianana. Midika fa tsy azo ahemotra intsony […]