Nanao lalao ara-pirahalahiana entina hanomanana ny “Pureplay football league”, ny Fosa Junior FC Boeny sy ny Mama FC Fianarantsoa. Lavon’ny Fosa tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Mama FC tamin’ity fihaonana ity. Fifanandrinana natao ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny kianja annexe Mahamasina. Hotanterahina manomboka anio ny lalao fifanintsanana […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
Hitoetra hatrany ny alondrano ateriky ny rivotra avy atsimo atsinanana any amin’ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana, Atsimo ary Atsimo Atsinanana. Ho mafy hatrany koa ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Nijery ifotony ny olana iainan’ny vahoaka eny […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina eny amin’ny CGM Analakely ny seho an-tsehatra “Misy Mihaino?”. Fotoana ahenoana sy ahitana ary ilalaovana an-tsehatra ireo tantara an’onjampeo. Ho hita mandritra izany ry Christophe Rabearimanana, Zo Maminirina, Nofy, Mampandriniaina Manitra, Niravo, Sylvia Rabenatoandro, Hanjariliva ary Tolotra Arinandriana. Mitohy hatrany ny fampiofanana ireo Mpanabe kanto, ao anatin’ny Tetikasa “Kanto […]
FANTINA sy FINTINA
Niverina ho depiote ny minisitry ny Asa teo aloha, Rivotiana Jean Bosco sy ny minisitry ny Fiompiana teo aloha, i Raymond. Navoakan’ny HCC taorian’ny fangatahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena izany fanapahana izany. Nambaran-dRaderanirina Sendrison, filohan’ny antoko Fy-M fa tokony hohenoin’ny fitondram-panjakana ireo fitakian’ny Vondron’ny kandidà (C11), tamin’ireny fififidianana ireny. Vonona hiatrika ny […]
TSELATRA
Noraisim-potsiny teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mampitohy an’i Mahitsy sy Antohomadinika ny roa lahy mpangalatra akoho, afakomaly. Noloahan’izy ireo ny rindrina nisy akoho fakana nofo an-jatony. Nalainy avokoa ireo akoho ary novonoiny. Nikasa hitondra ny entana nafatratra tanaty gony hihazo ny Renivohitra ireto tontakely taorian’izay. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka […]




