Hotontosaina any Antsirabe, ny 3 febroary ho avy izao, ny lalao fifanintsanana basikety ho an’ ny ligim-paritra Sava, taranja basikety 3×3, sokajy vehivavy U23. Tsiahivina fa izay tompondaka amin’ity fifaninanana ity no solontenan’io faritra io amin’ny fifaninanan “De la Rue vers l’Or”, hatao eto Antananarivo, ny 16-18 febroary ho avy […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Ho fanampiana ny olona voan’ny homamiadana. Tontosa omaly ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto maro tetsy amin’ny Ekar Antanimena, ny sabotsy teo. Nahitana an’i José sy Fiderana (Tarika Hasina), Vetsonkira, Malala (Tarika ‘Zay) ary Tanora feon’ny fiderana Nanganehana. Nindramina tamin’izany ny fihirana ny hiran’ny tarika “Les Surfs”. Nahatanteraka ny fifampiarahabana tratry ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hamoaka ny tatitry ny vokatry ny ady amin’ny kolikoly, taona 2023, ny eo anivon’ny “Transparency International Initiative Madagascar”, rahampitso. Eo amin’ny laharana faha-147 amin’ireo firenena 180 i Madagasikara ary nahazo naoty 26/100. Nanentana ny fandraisana andraikitra sy ny firaisankinan’ny mpikambana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny herinandro teo, teny […]
TSELATRA
Votsotra teo am-pelatanan’ireo mpaka an- keriny ireo takalonaina telo ny 27 janoary tamin’ny 06 ora hariva, tao avaratr’i Tsaramasoandrokely, fokontany Manerinerina, kaominina Ambanivohitra Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe. Nahery vaika ny hetsika fampandrian-tany nataon’ny tafika sy ny zandary tao an-toerana ka nahitam-bokany izany. Naratra ireo mpandeha 13 tao anaty taxi-be 192 nofaohan’ny kamiao […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafiditra ao anatin’ireo firenena 11 tsara tsidihina indrindra maneran-tany, mandritra ny taona 2024, i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny gazety Vogue. Miavaka ny hakanton’i Madagasikara, noho izy manana karazan-javamananaina miavaka sy tsy fahita maneran-tany. Tokantrano 4 tapitrisa no hisitraka ireo fitaovam-pahazavana mandeha amin’ny masoandro mandritra ity taona ity. Hapetraka ihany […]




