Tselatra

TSELATRA

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fanafihana nitranga tao amin’ny tokantranon’ny vadin’ny minisitry ny Serasera teo aloha, omaly hariva, teny Ambatolampy Tsimahafotsy. Niantso vonjy io lehilahy io fa misy olona mikasa hiditra an-keriny tao an-tranony. Nanakana ireto farany tsy hiditra ny efitrano ny lasibatra. Lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR sy ny CSP1 teo […]

VAOVAO TAMBATRA

Maromaro ny lalana harenina, ka namoahan’ny fanjakana tetibola. Hamboarina ny lavaka any amin’ny RN4, ny RN6, ny RN7, ny RN34, ny RN27, ny RN18, ny RN15, ny RN25, ny RN3A sy RN3B, ny RN41, ny RN20, ny RN12, ny lalana Ambatry-Fotadrevo-Bekily. Hokojakojaina koa ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mananjary sy i […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka ny fivoriana ofisialy voalohany ny komity mpanatanteraka omaly, rehefa vita ny fitsinjaram-pahefana teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Marihina fa manana tanjona goavana ny FMF, ny ahitana an’i Madagasikara, any amin’ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Afaka sivy andro, hiatrika ny lalao ihaonany amin’i Ghana ny ekipam-pirenena […]

INDRAY MIJERY

Notolorana solosaina sy imprimante ireo fitaleavam-paritra ara-pahasalamana misitraka ny tetikasa « Fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony », andiany faharoa na Fafy2. Handray anjara amin’ny fanangonana ireo toro mahakasika ny tetikasa hanamorana ny drafitra sy ny fanombanana ny tolotra ara-pahasalamana any amin’ny faritra ny fampitaovana. Manentana amin’ny fambolen-kazo ifotony ny Graine de Vie. Mitohy […]

TARATRY ny KANTO

“Convergence”, eny amin’ny Mozaïk An­tsahabe. Fampirantiana zavakanto iombonana izy ity, izay nisokatra omaly ka haharitra hatramin’ny 7 desambra ho avy izao. Ho tazana mandritra izany ny sanganasan’ireo mpanao sary sy hosodoko. Aingam-panahy marolafy, havoaka amina endri-javakanto maro karazana koa no mamoaka ny lohahevitra iombonan’ireto mpanakanto ireto. Rehefa tsy tazana elaela […]