Tselatra

INDRAY MIJERY

Mamely ny zaza ny aretin’ny taovam-pisefoana, indrindra ny bronchiolite, hoy ny dokoteran’ny zaza eny Ambohimiandra. Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 3 volana dia tsy tokony hifanerasera betsaka amin’ny olona loatra, indrindra ireo voan’ny gripa. Tena mbola marefo ny zaza ka saro-pady. Ny 10 febroary izao no hanatanteraka ny fambolen-kazo […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra amin’ny volana marsa ho avy izao ny tetezana vaovao eny Ambohimandroso amin’ny RN7, (PK 87). Mirefy 60 metatra. Mampiavaka azy ny azo ifanenan’ny fiara roa, raha lalan-tokana ilay teo aloha, izay niteraka loza nahafaty olona matetika. Vita hatrany amin’ny 80% ny asa, ka avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny vola […]

TARATRY ny KANTO

“Tolo-tanana ho an’i Mikakely”, eny amin’ny M’Lam Manakambahiny. Misesy ny fanehoana firaisan-kina. Avy hatrany dia niara-nientana ka hiaraka hanao seho anio, manomboka amin’ny 5 ora hariva, ireo naman’i Mikakely, mivondrona ao amin’ny Bassiste Gasy. Tsy misy vidim-pidirana fa vata hanangonana ny fanampiana ny marary no hatao. Hampitomboana ny fanandratana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nihaona ny faran’ny herinandro teo indray ny Vondron’ny kandidà. Tsy nisy nipika ny dinika nifanaovan’izy ireo. Na izany aza, voalaza fa tafiditra amin’ny fanohizana ny tolona hatrany izao fihaonana izao. Nandefa solontena ny kandidà sasany amin’izy 11 mianaka. Nanao fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ireo loholona, omaly. Nitarika izany ny filohany, […]

TSELATRA

Mpangarom-paosy miandry mpandeha amin’ny taksibrosy voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ankirihiry, Toamasina, omaly hariva. Tsikaritry ny lasibatra tampoka ny fihetsik’io lehilahy io. Nifandrimbona rahateo ny fokonolona ka noraisim-potsiny izy. Kamiao lehibe iray nandona mpandeha an-tongotra teny By-pass, afakomaly. Nitsoaka avy hatrany anefa io fiara io taorian’ny loza. Voa mafy ary […]