Nijery ny asa fanamboaran-dalana ao an-tampon-tanànan’i Sainte Marie, ny governoran’ny faritra Analanjirofo, ny fitantanam-paritry ny asa vaventy, ny herinandro lasa teo. Mandroso ny asa ahitana ampahan-dalana miisa telo, mirefy 9 km, 24 m ary 17 km, voakasiky ny tetikasa Pic III. Natao ny 31 oktobra teo ny atrikasa hamolavolana ny […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny fihodinan’ny tarika Baobab, any Eoropa. Efa nahavita seho am-polony hatrany Italia, Suisse ary mbola mitohy ao France amin’izao fotoana izao ny tarika Baobab. Manana daty telo misesy ry Haingo sy ny tariny amin’ity faran’ny herinandro ity, ary mbola hitohy izany. Ny famelomana ireo hira tsy tontan’ny ela, tsy […]
FANTINA sy FINTINA
Notanterahina, omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filohan’nyAntenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, voatendry filoham-panjakana sy ny filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, Rabemananjara Nicolas. Hisahana ny fitantanan-draharaha ankapobeny ity mpisolo toerana etsy Anosikely ity. Hihetsika hamaky ny kianjan’ny 13 mey koa ny avy amin’ny RMDM manerana ny Nosy, araka ny nambaran’izy ireo, tetsy […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja vonjimaika ny dimy tamin’ireo olona voasambotra nandritra ny hetsika fotsy ny sabotsy teo. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny dimy hafa raha nosokajiana ho vavolombelona ny olona iray tsy ampy taona. Raha tsy misy kosa ny fiovana, ny 9 novambra 2023 ho avy izao ny fotoam-pitsarana azy ireo. […]
INDRAY MIJERY
Nohazavain’ny lehiben’ny fiaraha-miasa fa laharam-pahamehana ho an’ny Vondrona eoropeanina ny sehatry ny fanofanana arakasa ka nanamarika ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny minisitera voakasika izy ireo. Efa misy ny fandaharanasa “Fahaiza-manao ho an’ny rehetra” iarahan’ny roa tonta. Nodinihina ny fanombohan’ny fandaharana amin’ny tapany faharoa ny taona 2024. Nampiofanina mahakasika ny fiarovana ny […]