Tselatra

TSELATRA

Raim-pianakaviana roa lasan’ny rano tao Antsaonjobe, fokontany Andranofotsy, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe, omaly tolakandro. Niezaka niampita ny renirano Kelilalina izy mianaka ireo. Nentin’ny rano izy ireo ka nifampitadiavana hatramin’ny omaly hariva saingy mbola tsy hita. Potika nifandona tamin’ny fiara ny moto iray tetsy Marais Masay, omaly maraina. Tafalatsaka afovoan’ny fiara roa […]

INDRAY MIJERY

Am-perinasa ireo rantsa-mangaikan’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) eny amin’ ny minisitera amin’ny fampitahana ny naoty ao amin’ny CNtemad mialoha ny hamoahana ny valim-panadinana. Nanentana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny izy ireo mba hiandry am-pitoniana ny voka-panadinana. Nametraka lamina ny CHU Fenoarivo, araka ny toromarika voarain’ny talen’ny hopitaly. […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy foana ny tolo-tanana ho an’i Mika. “Aza avela hatory”, hoy ny fanentanana. Efa natomboka ary misy isan’andro. Anjaran’i Jimi Harisson indray ny manafana ny anio, eny amin’ny Mlam Mana­kambahiny, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hitohy ny zoma, etsy amin’ny La City Ivandry izany, miaraka amin-dry ‘Zay, Samöela, Rah-Ckiki, Tovo […]

VAOVAO TAMBATRA

Hitohy ny asa fanohanana ara-bola sy ara-teknika ny mpandraharaha eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Fihariana. Misy ny lamina apetraka entina hanatanterahina izany sy hijerena ireo asa mila fanarenana ao anatin’ireo efa vita sy mivaingana. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tontolon’ny fandraharahana. Nanomboka omaly ny atrikasa ho fankatoavana […]

TSELATRA

Lehilahy nanolan-jaza tany amin’ny fokontany Ampefindradama, kaominin’Ampefy, distrikan’i Soavi­nan­driana, faritr’Itasy, naiditra eny Tsiafahy, omaly. Nam­pihatra ny filan-dratsiny tamin’io zazavavy io ny fiatombohan’ny volana janoary teo izy. Notambazany vola 500 Ar ilay zaza. Roa lahy mpidoroka rongony sady mpanendaka voasambotry ny mpitandro filaminana teny Behenjy, kaominina Itaosy, omaly. Vinanton’ilay rangahy voasambotra […]