Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 32 ireo Malagasy nandray anjara ta­min’ny “African Business Education for Youth Initiative (ABE Initiative)”. Fandaharanasa karakarain’ny JICA, nanomboka ny taona 2013, ny ABE initiative izay ahafahan’ireo mpandray anjara misitraka fianaran’asa sy fandraharahana any amin’ny firenena Japoney. Tanjona ny hampiroborobo ny indostria aty Afrika sy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta […]

FANTINA sy FINTINA

Manentana ny vahoaka sy ny mpanao politika hiroso amin’ny fanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny 16 novambra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, ny faran’ny herinandro teo. Niantso ny hametrahan’ny miaramila ny basiny ireo ampanjaka sy tangalamena, tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo tetsy Antsakaviro, omaly fa […]

TSELATRA

Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny rano tetsy Andranotapahana, Ambohidratrimo, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra azy. Nahitana ratra ny faritry ny lohany. Andrasana ny tohin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana momba ny nahafaty io lehilahy. Sekoly tsy miankina iray tao Ambondro­mife­hy, Diego II anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Anivorono Avaratra hotohoton’ny afo, afakomaly alina. Niredareda tampoka […]

Vaovao tambatra

Tapitra omaly ny hetsika « Salon de la créativité Voatra », andiany faha-10. Hetsika ara-barotra sy ara-toekarena hanandratana ny vita malagasy sy ho fampirantiana ny vokatra nataon’ireo mpandraharaha misitraka tohana avy amin’ny Antenimieran’ny indostria sy ny varotra. Nahasarika mpitsidika maro ny hetsika. Miara-misalahy amin’ny fanamboarana ny digy vaky efa an-taonany […]

INDRAY MIJERY

Hotanterahina anio sy rahampitso ny fandidiana ny areti-maso katarakta ao amin’ny CHU Anosiala, karakarain’ny hopitaly sy ny Pneumo-Aide. Aretina mpahazo ny zokiolona matetika ny katarakta. Tsiahivina fa vao tamin’ny tapa-bolana no nisy ny hetsika fanalana nify maimaimpoana teny an-toerana. CSB miisa 32 ao amin’ny faritra Analanjirofo no nahazo ny anjara […]