Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Karate. Lany hitantana ny seksiona Karate-do Ambatondrazaka, Randriamahanoro Nirina Willy. Fifidianana notontosaina, omaly, tao amin’ny DRJS Ambatondrazaka, ka klioba 5 no tonga nandatsa-bato. Ny 6 oktobra izao no hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Alaotra Mangoro. Basikety “Road to BAL”. Tsy ho avy eto Madagasikara hiatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Mitohy hatramin’ny anio ny atrikasa fampahafantarana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny olona manana fahasembanana, tanterahina etsy Tsiadana. Mandray anjara amin’izany ireo fikambanan’ny olona manana fahasembanana miisa 12 ary manana ny solontenany ireo olona manana toe-batana varira. Mandritra ny telo andro hanatanterahana ny varavarana misokatra amin’ireo hopitalim-panjakana manerana ny Nosy, […]

TARATRY ny KANTO

Horonantsary fanadihadiana. Ankoatra ny maha fialamboly, amin’ny maha horonatsarimihetsika azy. Mirakitra fahalalana sy fandalinana maro ihany koa ny horonantsary fanadihadiana. Raha ho an’ny eto Madagasikara manokana, azo trandrahana tsara ity sehatra ity ary maro no tokony hanatanterahana azy. Rantin-tsary fanabeazana. Tontosaina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, manomboka ny 30 septambra 2023 […]

Vaovao tambatra

Tafakatra 94,5 dolara ny vidin’ny solika iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. 72 dolara tamin’ny jona 2023 teo. Milaza ny mpahay toekarena iraisam-pirenena fa mety hisondrotra io vidiny io, satria hiditra amin’ny ririnina ny any amin’ny ilabolantany avaratra. Manomboka androany ka hatramin’ny ala­hady izao ny “Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana […]

TSELATRA

Mpitondra moto sy mpitondra bisikileta nifandona teo Ambohimahitsy-Ambohimangakely, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Nandeha mafy ny moto ka nifatratra tampoka tamin’ilay bisikileta. Samy tsy nahatsiaro tena vokatry ny dona mafy nahazo azy ny roa tonta ka nentin’ireo nanatri-maso namonjy ny CHRD Ambohimangakely. Saron’ny zandary ireo mpivady nanao sarintsarina fakana an-keriny […]