Nilaza ny Jirama fa tsy delestazy ny fahatapahan-jiro, naharitra ora maro manerana ny faritra maromaro teto an-drenivohitra, tamin’ny alina. Fanapahana noho ny antony teknika no natao satria nisy fahasimbana ny fitaovana sy kojakoja amin’ny famatsiana herinaratra teny Anosizato. Tratra nangalatra jiron’ny Jirama ny toerana mpanamboatra kodiarana (vulcanisation) iray eny Anosizato. […]
Tselatra
FANTINA sy FINTINA
Hanohana kandidà roa ny RMDM, araka ny nambaran’izy ireo tetsy Ampandrana, omaly. hanohana ny kandidà Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery ny mpanohitra. “Malalaka ireo antoko eo anivon’ny RMDM hisafidy ny iray amin’ireo… Manala ny tenany kosa ireo manohana kandidà hafa”, hoy ny pasitera Tsarahame Edouard. Naneho ny heviny ireo CST […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana iray maty tampoka tao anaty fiara fitanteram-bahoaka teo amin’ ny gara Makis Andohatapenaka, omaly. Mpandeha anaty fiara no nahatsikaritra io lehilahy io efa maneho fihetsika hafahafa. Nozahan’ny mpitsabo sy ny tomponandraikitra ilay mpandeha saingy efa tsy nisy aina intsony. Trano efatra samihafa may kilan’ny afo tao an-tanànan’Ambanilalandrano, fokontany Antetezana, […]
SOMBIM-BAOVAO
Volley. Hanatanteraka fivoriambe ny mpitsara rehetra, eo amin’ny taranja Volley-ball, ny sabotsy 23 septambra ho avy izao. Ho fanatsarana sy fanomanana sahady ny taom-pikatrohana manaraka ny anton’ity fivoriana ity, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny volley-ball. Basikety. Miantso fanohanana avy amin’ny mpankafy basikety rehetra ny klioban’ny COSPN, izay […]
INDRAY MIJERY
Miara-mientana amin’ny fametrahana aro afo ny Graine de Vie. Tetikasa iray ao Ambohitantely, distrika Ankazobe no anaovana aro afo amin’izao fotoana, ho fiarovana ny ala sy ny hazo novolena. Mametraka aro afo 5 ka hatramin’ny 8 km eo ny Graine de vie, mirefy 15 m ny sakany. Fiaraha-miasa eo amin’ny […]