Manao antso avo ho an’ny mpiasa rehetra, na mpiasam-panjakana na mpiasan’ny orinasa tsy miankina, hanatevin-daharana ny tolona atao anio ireo kandidà 11. Mila sahy mijoro ny rehetra, hoy ny solontenan’izy ireo, nandritra ny hetsika nataon’izy ireo niainga teny Ambodimita ka nifarana teo Ambodivonkely-Ambohimanarina, omaly. Vonona hiatrika fifidianana izy ireo saingy […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Mampiranty any Grenoble i TangalaMamy. “Nourrir demain” ny lohahevitry ny saripika hataon’ity mpaka sary matihanina ity, ao amin’ny oniversiten’i Grenoble, manomboka anio. Saripika maneho ny fambolena, ny sakafo sy ny olombelona ireo nosafidian’i Tangala Mamy haranty, hatramin’ny 20 oktobra ho avy izao. Ho avy any Antsiranana ny Logos Hope. Ilay […]
VAOVAO TAMBATRA
Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny mpiara-belona manoloana ity raharaha politika misy eto amintsika ity. Voatery manakaton-tsena ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny an-dalana lalovan’ireo mpilahatra, hisorohana ny fandrobana sy ny tsy fandriampahalemana. Mihena ny vola azo, tsy mihodina ny tsena. Mampitaraina ny fiarahamonina ny fahatapahan-jiro ataon’ny orinasa Jirama eto an-drenivohitra sy […]
INDRAY MIJERY
Notolorana fitaovam-pianarana ahitana kahie, penina, pensilihazo, solaitra ireo mpianatra miisa 55 tra-boina tamin’ny haintrano tao amin’ny fokontany Ambalahosy Atsimo, kaominina Kianjavato, Cisco Mananjary, tamin’ity herinandro ity. Nisy ny fifanakalozana traikefa teo amin’i Madagasikara sy India, indrindra teo amin’ny fandrindrana ho an’ny mpiantsehatra rehetra mialoha, mandritra ary aorian’ny loza. Misy ifandraisany […]
TSELATRA
Lasan’ny jiolahy mpangalatra voamaso indray ny mason’ny vehivavy roa tany amin’ny kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy, ny sabotsy maraina teo. Namoy ny ainy ny vehivavy iray noho ny ratra mafy nahazo azy. Ny iray kosa mbola manaraka fitsaboana. Fantatra fa mirongatra izaitsizy ny halatra voamaso amin’iny distrika iny. Voasambotry ny zandary avy […]