Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Hiditra anatin’ny propagandy ofisialy i Mada­gasikara, araka ny fanambaran’ny misionera amerikanina, omaly. “Manentana ny governemanta sy ireo kandidà i Etazonia mba hanao ny ezaka hanohanana ny fifidianana malalaka sy madio ary koa ny zotram-pifidianana eken’ny rehetra sady atokisan’ny mpifidy”, hoy izy ireo. Nametraka taratasy fampahafantarana eny amin’ny HCC ny tsy […]

TSELATRA

Sprinter iray nitondra razana tra-doza teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka, omaly. Nandeha mafy, nifandona tampoka tamin’ny fiara mazda iray nifanoha-dalana taminy io mpitondra razana io. Tsy voatana intsony ny familiana ka nitarika ny loza. Nipitika tamin’ny arabe ny fitoeran’entana teo amin’ilay sprinter. Potika ny lohan’ny fiara. Tsy nisy namoy ny ainy […]

VAOVAO TAMBATRA

Voarara ny fihinanana ny henan’ny antsantsa sy ny « sardine », any amin’ny faritra Analanjirofo, manomboka amin’ity volana oktobra 2023 ity, hatra­min’ny volana mai 2024. Noraisin’ny fanjakana ity didim-pitondrana ity, hisorohana ny mety ho fanapoizinana amin’izao vanim-potoana mafana izao. Nindram-bola amin’ny Banky koreana Exim Bank ny fanjakana. Natao hanatanterahana ny […]

INDRAY MIJERY

Nanolotra ordinatera mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy “kits solaires” efatra ho an’ny CFPF ny minisitry ny Fampianarana teknika. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Paositra ny fampitaovana. Nanome tany ihany koa ny minisiteran’ny Paositra ahafahana manitatra ny CFPF Antsiranana. Maro ireo vehivavy maniry hiofana ao ka nanome valonan-damba sy « batteuse » ho an’ny CFP […]

Sombim-baovao

Hanomboka anio 9 oktobra 2023, ny « fenêtre Fifa ». Raha ho an’ny Barea, hisy lalao ara-pirahalahiana roa miandry azy ireo. Ny fihaonana amin’i Mauritanie sy i Bénin. Marihina fa any Marôc no hanaovana ireo lalao ireo. Ilay Malagasy Mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix no hitondra vonjimaika ny ekipam-pirenena malagasy raha ny lamina […]