Sprinter iray nitondra razana tra-doza teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka, omaly. Nandeha mafy, nifandona tampoka tamin’ny fiara mazda iray nifanoha-dalana taminy io mpitondra razana io. Tsy voatana intsony ny familiana ka nitarika ny loza. Nipitika tamin’ny arabe ny fitoeran’entana teo amin’ilay sprinter. Potika ny lohan’ny fiara. Tsy nisy namoy ny ainy saingy naratra ny sasany tamin’ireo mpandeha.
Voasambotra niaraka tamin’ny basy vita tanana ny lehilahy iray tao Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo. Ahina ho anisan’ny nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Tsinjoarivo, koaminina Ambohimanambola, ny 27 septambra lasa teo ity saron’ny zandary ity. Natao famotorana izy taorian’ny nisamborana azy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Trano iray saika kilan’ny afo tetsy 67 ha, omaly maraina. Tamin’ny 04 ora, mponina manodidina nifoha maraina no nahatsikaritra ny setroka tao amin’ny trano nifanila taminy. Heveriny fa olona nandrehitra afo ka tsy taitra izy. Niredareda tampoka anefa ny afo ka nikoropaka namoaka ny entany ny tokantrano manodidina. Tonga ara-potoana ny sampana mpamonjy voina ka voafehy ny afo.
Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny ranon’Ikopa tao amin’ny fokontany Mahazoarivo atsinanana, omaly. Efa tsy nisy fitafiana intsony teny amin’io lehilahy maty io fa tampin-kenatra sisa teny an-kodiny. Naka ny vatana mangatsiaka ny teo anivon’ny BMH.




