Tselatra

INDRAY MIJERY

Nambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa mahatratra 4 tapitrisa mahery ny mpianatra nisitraka ny fizarana kahie hampiasan’ny mpianatra amin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity. Ho fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny vola lany hividianana fitaovana no tanjona. 27 taona no nijoroan’ny Association des chercheurs enseignants (ACE) izay mampivondrona ny mpikaroka mpampianatra sy izay liana amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanafatra fitaovana fitiliana ny Laboara­toaram-pirenena mikasika ny fizahana ara-pahasalaman’ny biby (LNDV). Hiantohan’ny fanjakana foibe ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana mahakasika izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa tohanan’ny Antokon-draharaha iraisam-pirenena mikasika ny angovo atomika (AIEA) ity fanafarana fitaovana ity. Nanolotra sambo haingam-pandeha roa ho an’ny Foibe mpanara-maso ny jono (CSP) […]

TARATRY ny KANTO

Tsenaben’ny Boky. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Andriampamaky, ny hetsika «Tsena­ben’ny Boky» andiany faharoa. Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika noho ny fahavitrihan’ny mponina tany an-toerana niatrika izany. Teo ihany koa ny fanotronan’ireo Oloben’ny fanoratana malagasy, sahala amin’i Michèle Rakotoson. « Rhapsodie Picturale ». Andro vitsy sisa no ahitana […]

FANTINA sy FINTINA

Nangataka alalana any amin’ny prefektiora ny vondron’ireo kandidà 11, hiatrika ny fifidianana. Hamory ireo mpiara-dia aminy etsy amin’ny “Palais des Sports” Mahamasina izy ireo, ny zoma ho avy izao. Hitondra fanazavana momba ny fiainam-pirenena, indrindra ny fiatrehana fifidianana. Andrasana ny valin’izany fangatahana famoriam-bahoaka izany. Mikasa hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta indray […]

TSELATRA

Mpangarom-paosy iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka teny Anosibe, omaly. Mpandalo teny an-toerana no lasibatra. Nikasa hitsoaka io olon-dratsy io kinanjo nosamborin’ny fokonolona. Raikitra ny daroka. Niditra an-tsehatra nandamina ny nanatri-maso sasany ka nentina nihazo ny mpitandro filaminana io mpangarom-paosy tratra io. Taolan-dava 12 lasan’ny mpangalatra tao amin’ny fasana iray anatin’ny fokontany […]