Fiara tsy mataho-dalana nivadika anaty tanimbary, tetsy Ampitatafika, afakomaly atoandro. Zazakely iray voalaza fa naratra mafy ka voatery naiditra hopitaly niaraka amin’ireo olon-dehibe sasantsasany tao anaty fiara. Fandehanana mafy no niteraka ny loza. Mpisoloky telo vavy voasambotry ny zandary tetsy Ambohimangakely, ny zoma 15 desambra teo. Mody mivarotra tany amin’ireo […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina, omaly, tany Zimbabwe Harare, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Cosafa School U-15”, taranja baolina kitra. Nomontsanin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa mavesatra 8 no ho 0 ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy vehivavy. Nanao ady sahala 0 no ho 0 ny sokajy lehilahy. Miisa enina ireo klioba frantsay mbola manohy […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa vita ny ampahefatry ny asa ankapobeny amin’ny fanamboarana ny lalana RN 13, mampitohy an’i Taolagnaro sy Ambovombe. Mahatratra 51 km ny ampahan-dalana nasiana fanitarana amin’ny velarany, 28 km efa naravona. Mandeha tsikelikely koa ny fandrakofana godirao, miampy ny fametrahana lakandrano sy fanarian-drano. Miakatra avokoa ny ankamaroan’ny entana fampiasa andavanandro […]
INDRAY MIJERY
Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo farmasianina tamin’ity herinandro ity. Nodinihina tamin’izany ireo karazan-dalàna mifehy ny fanokafana sy fanakatonana ary famindrana toeram-pivarotam-panafody. Hatsangana koa ny komity manokana hanara-maso sy hanapaka izany. Nahazo vata fampangatsiahana 23 fanampiny ireo toerana fitehirizan-dra eny amin’ireo hopitaly eny anivon’ny distrika. Kitapon-dra sy singa ilaina amin’ny famindrana […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny hiragasy etsy Ampefiloha. Hiakatra kianja indray, rahampitso alahady 17 desambra, ry Sahondrafinina Zanany, hifanandrina amin-dry Samuelson Andohavary. Ady hiragasy toy ny efa mahazatra ao amin’ny kianja, manomboka amin’ny 10 ora maraina ka manariva andro. Hiady ny lalao raha ny lazan’ireto tropy roa izay hifandona ireto. Tsy misy vidim-pidirana […]




