Tselatra

INDRAY MIJERY

Hotanterahina eny amin’ny FJKM Ialanana Vavolombelona, synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA-10) ny fanamarihana ny faha-30 taona niorenan’ny sampana Mpanazava sy Tily (Sampati) eo amin’ny sahan’ny FJKM. Haharitra 4 andro ny fanamarihana izany eny an-toerana izay hihaonan’ireo Sampati manerana ny Nosy. Nomena fiofanana ireo tomponandraikitra isam-paritra eo anivon’ny fikambanan’ny varira eto Mada­gasikara. […]

TARATRY ny KANTO

Kabary sy kilalao malagasy. Nitohy omaly, ary tanterahina isaky ny alarobia, hatramin’ny 13 septambra 2023, ny fampianarana kabary sy kilalao mala­gasy, maimaimpoana, tanterahina manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny DACVC, miaraka amin’ny fikambanana Manda Mpikabary no mikarakara ny hetsika. “Stand Up Comedy”. Tanterahina anio, […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 14 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania Kenya Airways eto amintsika, nanomboka ny 1 jona 2023 teo. Sidina mampitohy an’i Nairobi sy Antananarivo izany. Hita fa mihatsara tsikelikely ny fizahantany eto Madagasikara, ary miverina amin’ny laoniny toy ny talohan’ny krizy Covid-19 izany. Manomboka anio 10, 11, 12, 13 aogositra izao, […]

TSELATRA

Tokantrano iray norobain’ny olon-dratsy tao Soavinimerina, kaominiana Ambohimanga Rova, omaly. Lasan’ny olon-dratsy ny finday roa sy zavamaneno iray, tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Nitsambikina varavarankely ilay mpandroba ka nitsoaka. Fiara tsy mataho-dalana roa nifandona teny amin’ny lalan’i Tsarasaotra, omaly tolakandro. Samy nandeha mafy ny mpamily ka niafara ta­min’ny loza. […]

Vaovao tambatra

Tsy fahatomombanana amin’ny tambazotra no nahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra, omaly, teto amin’ny faritra vitsivitsy eto an-drenivohitra. Ani­san’izany ny tany Ambohidrapeto, Itaosy, Andranona­hotra, Analamahitsy, Amboditsiry, Manjakaray, Anja­na­hary, sns. Tsy tokony hisy intsony ny delestazy. Manodidina ny 3 tapitrisa ny isan’ny orinasa na olona mivelona ao anatin’ny tsy ara-dalàna eto Ma­dagasikara. Manodidina […]