Boky ho an’ny ankizy. Hivoaka amin’ity volana novambra ity ilay boky « Amboarana angano/Recueil de contes », 92 pejy. Boky mirakitra angano miisa 5 voasoratra amin’ny fiteny malagasy sy fiteny frantsay. Asa soratr’i Arikaomisa Randria, ravahin’i Max Razafindrainibe amina sary nataon-tanana. Manampy indrindra amin’ny fampiainana ny angano ireo sary ireo. « ADMC- CRAAM […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
Handray anjara amin’ny “Cop 28”, ny 30 novambra ka hatramin’ny 12 desambra, atao any Dubai, Emirats Arabes Unis, i Madagasikara. Hampiavaka ity andiany ity ny fitokanana sy fanokafana ny toerana voatokana “pavillon de Madagascar” izay sehatra hampisongadinana ny Nosy sy hampiroboroboana ny fiombonan’antoka mahakasika ny “crédits carbones”. Maherin’ny 20 000Ar […]
TSELATRA
Maty voatifitry ny miaramila DSS12 ny dahalo saika handroba tao amin’ny tanànan’Ambatofotsy, fokontany Miaramanana, kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly alina. Efa malaza ratsy ao amin’ity tanàna ity ny fisian’io olon-dratsy io ka antony nahatonga ny miaramila nametraka vela-pandrika. Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy ny jiolahy iray […]
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina nanomboka omaly, teny Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Tenisy, sokajy zandriny. Tazana mandray anjara amin’izany, ilay vehivavy malagasy U-16, Rajaobelina Iriela. Tsiahivina fa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, Akomba, izy, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023. Manomboka mandeha ny fanazarantenan’ireo klioba rehetra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. […]
INDRAY MIJERY
Tokony hanana fahazarana manasa ny voankazo sy ny legioma hanina manta amin’ny rano sy savony ny rehetra hisorohana ny aretim-pivalanana mahazo vahana rehefa betsaka ny rotsakorana, hoy ny mpitsabo. Rano avy nampangotrahina koa no mety indrindra hosotroina, indrindra ho an’ny ankizy madinika. Afaka manao fitiliana ny aretina tazo, Covid-19 ny […]




