Tselatra

INDRAY MIJERY

Nanao fanambarana indray ny Seces sampana Antananarivo fa mitohy ny fitokonana satria tsy nisy ilay filankevitry ny governemanta nantenaina hamarana izany. Minisitra tokana sisa no mbola tsy nanao sonia ireo volavolana didim-panjakana dimy andrasan’ny Seces. “Aza atao takalonaina na anaovana fifaninanana sy kajikajy politika ny Seces”, hoy ny fanambarana. Nihena […]

SOMBIM-BAOVAO

“World Jiu-jitsu Championship”. Hanainga anio i Fifaliana, ilay Malagasy mpikatroka nanao antso avo noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Misaotra ireo nanolo-tanana rehetra ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu. Ny alakamisy 9 novambra izy no hiakatra an-tsehatra any Abu Dhabi. Anisan’ny lalao tena nahafinaritra omaly, teny Ankadikely Ilafy, ny fihaonana teo amin’i Harioly […]

TSELATRA

Zaza roa namoy ny ainy ary olona 30 manaraka fitsaboana noho ny fihinanana soka-drano tao amina fokontany iray anatin’ny kaominina Andra­novondronina, disitrikan’i Antsiranana II, afakomaly. Nitaraina narary an-doha sy kibo avokoa ireo rehetra nihinana io karazan-tsokatra “Fano” io. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avokoa ireo marary. Takalonaina iray avotry ny polisim-pirenena […]

SOMBIM-BAOVAO

« Judo-Tompondaka maneran-tany Vétéran ». Nandrombaka ny medaly alimo i Heriniaina Vestalys, teo amin’ny sokajy M6, latsaky ny 60 kg, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Judo, sokajy Vétéran, natao tany Abu Dhabi. Laharana fahadimy kosa no nisy an’i Mamy Dongoza. “Ballon d’Or 2023”. Norombahan’ilay Arzanti­nina mpilalao baolina kitra, […]

INDRAY MIJERY

Nampiofanina mahakasika ny tetikasa an-tsekoly « Mavitrika mianatra » ireo talen-tsekoly sy ireo lehiben’ny ZAP ary ireo mpikambana ao amin’ny FEFFI ao amin’ny Cisco Toliara II, Dren Atsimo Andrefana, hanatsarana ny fitantanana ny Vondron’olona ifotony ho fampandrosoana ny sekoly sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Nosoniavina ny fiaraha-miasa eo amin’ny […]