Seho an-tsehatra. Nahasarika tanora i Jyeuhair. Teny amin’ny Ony House Ambatobe no nanatanterahiny ny seho an-tsehatra voalohany teto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Tontolon’ny rap no ahafantarana ity mpanakanto manana ny lazany ity. Anisan’ny fitaratra eo amin’izany izy noho ny fananany asa famoronana miavaka. Hanamarika ny faha-20 taonany ny faritany […]
Tselatra
Fantina sy ny fintina
Voaporofo izao fa mandrebireby vahoaka ireo mpanohitra, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, ny herinandro teo. “Nahoana ianareo kandidà Tim eto Antananarivo no tsy mangataka fampitahana ny voka-pifidianana eny amin’ ny Tribunal administratif- Taf fa mitabataba fotsiny”, hoy izy. Hotsaraina, anio, etsy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny […]
Tselatra
Raim-pianakaviana iray maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny faritry ny tratrany, tao Mantasoa, omaly. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, nandroba tao amin’ny tokantrano fonenan’io rangahy io ireo jiolahy, tamin’ny 2 ora tolakandro. Norobain’ny jiolahy ny toeram-pivarotam-panafody ao Soavimasoandro, afakomaly atoandro. Niditra toy ny mpanjifa rehetra, nambanan’ny olon-dratsy basy ny mpiasa. Niantso […]
Vaovao tambatra
Harenina ny lalana eny Ambatoroka mankany Ambohipo, hatrany Ambolokandrina. Ampahany voalohany ny eo Ambatoroka sy Ambohipo (ny sampanan-dalana telo) mihazo ny tsena sy ny fiantsonana « 164 ». Faharoa, ny mankany Ambolonkandrina hatrany amin’ny fivilian-dalana Antsahamamy. Ho vita amin’ny febroary ny asa. Zara raha manodidina ny 50% sisa ny herinaratra azon’ny mpanjifa, […]
Indray mijery
Nanome tohana ara-bola hoentina mikarakara ny atrikasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony, hotanterahina ny 23 sy 24 janoary ho avy izao, ny Direct Aid. Manamarika ny fitohizan’ny fiaraha-miasa sy ho fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara izany. Mitohy hatrany ny fitsinjarana ireo fanampiana nanoloana ny voina haintrano tao […]