Tselatra

TSELATRA

Olona telo voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 3 Antaninandro nanomboka ny 8, 9 ary 10 marsa lasa teo. Voarohohorohy tamin’ny resaka halatra izy ireo. Voasambotra tao Mahavoky, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy, ny alin’ny 08 marsa 2026, lasa teo ny iray. Tratra nangalatra moto teny Mahavoky Besarety, ny 09 […]

TSELATRA

Nidina an-dalambe nanao fitokonana sy nandoro kodiarana indray ny mpianatra Ankatso, omaly. Tsy nanaiky ny fifanarahana sy mangataka ny fialan’ny talen’ny Croua ny anton’ny fitakiana. Tsy nisy ny fanakanana nataon’ny mpitandro filaminana ny hetsika. An­drasana ny tohin’ny raharaha. Vehivavy iray, manodidina ny 40 taona, maty an-drano, tao Antanifotsy, omaly. Mbola […]

TSELATRA

Nitokona sady nandoro kodiarana ny mpo­nina teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mampi­tohy an’Ivato, omaly maraina. Mitaky ny handraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra hisorohana ny loza isan’andro amin’iny lalana iny izy ireo. Lehilahy mpanao sinto-mahery nosamborin’ ny polisy teny Ambodin’Isotry, afakomaly. Kavina volamena teny an-tsofin’olona nandalo no nalain’io lehilahy io. Tratra taorian’ny fanenjehana azy […]

TSELATRA

Olona miisa dimy naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana. Voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny zaza dimy taona, tany amin’ny fokontany Ambalatenina, kaominina Ambatofotsy, distrikan’Ikongo, ny alin’ny 12 janoary 2026 lasa teo izy ireo. Voasambotra ny 09 febroary 2026 teo, tao amin’ny kaominina Beraketa, faritra Androy, izy ireo, […]

TSELATRA

Lehilahy iray torana tampoka teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara iray tetsy Ambodivona, omaly atoandro. Raha ny fantatra, niandry sy nipetraka niaraka tamin’ ny olona tao anatiny tao izy. Saingy nianjera ary torana tsy nahatsiaro tena. Efa nentina novonjena haingana tao amin’ ny Espace medicale Ambodivona ny tenany taorian’izay. Namoy ny […]