Nitrangana haintrano tetsy Ankazomanga Atsimo, afakomaly atoandro. Levona sy kilan’ny afo tanteraka, nandritra izany, ny trano sy ny fananana rehetra tao amin’ireo tokantrano lasibatra. Tsy fantatra mazava ny antony nahataonga ny afo. Manoloana ny voina mahazo ny fianakaviana lasibatra, manao antso avo amin’ ny malala-tanana izy ireo. Tovolahy roa samy […]
Tselatra
TSELATRA
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Antanimena, omaly maraina. Nifandona ny fiarakely iray sy moto. Nidona mafy teo amin’ny lohan’ilay fiara ity farany. Vokany, naratra ilay nitondra kodiaran-droa. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tsy fantatra mazava, hatreto, ny antony nahatonga ny loza. Trano iray nirodana tamin’ny ampahany tetsy Atsimontsena, fokontany Atsinanantsena, […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay raim-pianakaviana nanindrona antsy ka nahafaty ny zanany roa lahy tetsy Imerimanjaka By-Pass, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ny raharaha ka izao nalefa vonjimaika eny am-ponja izao ny tenany. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Namoy ny ainy afakomaly ireo […]
TSELATRA
Tsy hita popoka nanomboka afakomaly Rotsiniaina Faravolatina Fifaliana, tovovavy 16 taona. Avy any Ankadinondry izy ary niakatra teto Antananarivo, nikasa ho eny Ankazomanga. Tonga teny Anosizato, omaly tamin’ny 10 ora maraina, mbola nahavita niantso tamin’ny taxi-phone ary nisy nahita ihany koa ny nijoroany teo. Saingy izao tsy hita popoka izao. […]
TSELATRA
Mpanao sinto-mahery tratran’ny polisy teny Marais-Masay, ny marain’ny alakamisy 20 novambra teo. Vehivavy nanao fanatanjahan-tena maraina no nararaotin’io lehilahy io nosintomina an-keriny ny finday teny aminy. Nikasa handositra ny mpanao ratsy saingy nifanenjehana ka voasambotra. Efa-dahy mpisoloky saron’ny mpitandro filaminana tao Belo/Tsiribihina, ny 21 novambra teo. Nilaza ho manana mena-bato […]




